Songadim-baovao
Bianco Ambohibao : Mitotaly 1213 ny fanambaram-pananana naterin’ny Zandarimaria
Notontosaina omaly teny amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly, teny Ambohibao, ny fanambaram-pananana nataon’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Isan’ireo nanatanteraka izany koa ny tany amin’ny faritany hafa, toa an’i Mahajanga sy Toamasina…

Notanterahina omaly ny fanaterana ny fanambaram-pananana, izay nataon’ny Zandarimariam-pirenena, teny anivon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly, teny Ambohibao. Tonga nitarika izany ny Jeneraly Mpandrindra ankapobeny ny asa ara-stratejika ny Zandarimaria sy ny Jeneraly Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ary ireo Tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG) sy eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimaria ary ny ao amin’ny Hery vonjy taitra (FIGN) sy ny Fibaikoana ny Vondron-kery manokana (CFS). Ny Talen’ny Birao manokana miady amin’ny kolikoly no nandray ny fitenenana voalohany ka nilazany ny fiarahabana ny amin’ny fahatongavana marobe sy nanambarany koa fa heni-kaja tanteraka ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly. « Adidy tsy amin’ny birao mahaleotena hiadiana amin’ny kolikoly no atao fa adidy manoloana ny tany sy ny Firenena », hoy hatrany ny Tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric. Nambaran’ny Jly Andrianjakana Njatoarisoa, Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena fa « ny Zandarimaria sy ny Bianco dia tahaka ny vary sy rano ka tsy mifanary ». Mitotaly 1213 ny isan’ny fanambaram-pananana naterina avy eo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, avy ao amin’ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, ny avy ao amin’ny Hery vonjy taitra ny Zandarimaria ary ny avy ao amin’ny Fibaikoana ny hery manokana. Taorian’izany, natolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo fanambaram-pananana ireo ary nisy moa ny fanoratana tao amin’ny boky volamena, izay natao. Tsiahivina fa ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria dia efa nanatontosa izany fanaterana fanambaram-pananana izany teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny 12 febroary lasa teo, araka ny voalazan’ny lalàna mifehy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.
Iraisana ny fanambaram-pananana…

Ankoatra ny teto Antananarivo, nahatontosa ny fanambaram-pananany tao amin’ny Foibem-paritry ny Bianco tao Mahajanga koa ireo Zandary miasa ao anatin’ny Fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana, izay fanao isaky ny roa taona. Ny Jly Ralaivaonary Andrianoasy D’Y La Paix Kaomandin’ny fari-piadidiana no nitarika izany, notronin’ireo mpiara-miasa manamboninahitra ambony, manamboninahitra, manamboninahitra lefitra. Nambarany tamin’izany fa iraisan’ny zandarimaria ny fanaterana izao fanambaram-pananana izao. « Ny zandarimariam-pirenena ao Mahajanga dia miezaka miady hatrany amin’ny kolikoly ary nanentana ireo mpiara-miasa rehetra hanao tan-tsoroka amin’izany ady izany », hoy izy. Nankasitraka izao fihetsika izao ny Tale iraisam-paritry ny Bianco ary nisaotra tamin’ireo ezaka efa vita. Nanentana hatrany izy ny amin’ny fandraisana andraikitry ny tsirairay hiady mafy amin’ny kolikoly. Omaly folakandro kosa, no nahatontosa ny anjarany ny teo anivon’ny Fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Toamasina, izay notarihin’ny Kly Rabemanantsoa Josh. Antontan-taratasy miisa 145, fanambaram-pananan’ireo zandary avy ao amin’ny Faritra Atsinanana ireo naterina ireo.



