Songadim-baovaoSosialy

TOROLALANA AMIN’NY FANANAN-TANY: Mpiray tanindrazana maro mitady fanampiana amin’ny Antoko Freedom

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny hetsika fanaon’ny Antoko Freedom, efa nanomboka tamin’ny 2016 ny fanomezana torolalana ho an’ny mpiray tanindrazana, amin’ny sehatry ny fananan-tany sy ny torolalana araka ny lalàna amin’ny ankapobeny. Niverina indray izany nanomboka omaly, ka mpiray tanindrazana maro no tonga mitady fanampiana tety amin’ny foibe toeran’ny Antoko, Antanimena.

Ny vola aloa tao amin’ny ivon-ketra no olako, satria enina tapitrisa no notakian’izy ireo tamiko vao mivoaka ny dosie tiako karakaraina. Efa tamin’ny 2016 anefa no nokarakaraiko io zavatra io… tsy mbola nahita sehatra nahafahana nitarainana sy niteny aho fa teny amin’ny tribonaly foana no ivezivezy. Rehefa tsy voaloa anefa dia lasa “dossier classé” ilay raharaha. Tena ilaina, noho izany, izao hetsika ataon’ny Freedom izao mba hahafahana maka hevitra amin’izay tokony hatao », hoy Rasoanirina Albertine, isan’ireo vao tonga tety amin’ny foibe toeran’ny Antoko, nitady fanampiana.  Ohatra ihany io tranga notantarainy io fa maro ireo Malagasy misedra olana ankehitriny amin’ny resaka fananan-tany. Antony nanokanan’ny Antoko Freedom fotoana manokana handraisana azy ireny mba hitondrana torohevitra sy torolalana tokony hahafahana mamahy ny olana. Araka ny fanazavan-dRakotonjanahary Eugène, Manam-pahaizana manokana ny lafiny fananan-tany, dia tamin’ny 2016 no efa nanomboka ity fandaharanasan’ny Antoko Freedom izay napetraky ny Filoha Nasionaliny, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ity. Olona an’arivony no efa nisitraka ny fanampiana sy nahazo tombony tamin’izany ka nahita vahaolana teny amin’ny fitsarana tamin’ny fanohanana nataon’ny Antoko azy ireo. Araka ny fanazavan’ity tomponandraikitra ity hatrany, dia olana eo amin’ny fifampivarotana tany no mateti-piseho. Tsy vitsy ireo olona no mihanona fotsiny amin’ny “acte de vente” rehefa vita ny fifampivarotana fa tsy manohy mampanara-dalàna ny fananana ny tany. Efa taona maro aty aoriana vao manetsika indray ny dosie ka mampanano sarotra ny fikirakirana izany.

Maimaim-poana tanteraka

Marihana fa maimaim-poana tanteraka ny fandraisana sy ny fakan-kevitra, hatramin’ny fanampiana hatreny amin’ny Tribonaly. Izany hoe, tena natao hifanohanana amin’ireo mpiray tanindrazana misedra olana ara-pitsarana ny hetsika. Mpahay lalàna momba ny fananan-tany (experts fonciers) sy mpisolo vava no mandray ireo olona tonga eny an-toerana. Araka ny fandaharam-potoana napetraky ny tomponandraikitra, ireo olona manana olana amina resaka tany no raisina ny alakamisy faharoa sy fahefatry ny volana, raha toa ka ireo olona manana raharaham-pitsarana hafa kosa no raisina ny alakamisy voalohany sy fahatelon’ny volana. Isany maro amin’ireo olona tonga maka torohevitra, ireo izay sahirana tsy voatery hanana ny enti-manana maka mpisolo vava nefa misedra olana eny anivon’ny fitsarana ka ampian’ny Antoko amin’ny alalan’ny fanomezana torohevitra, torolalana na fanomezana mpisolo vava mihitsy amin’ny fizotran’ny raharaha rehetra eo amin’ny fitsarana izay atrehan’izy ireo. Ho an’ny omaly tolakandro dia resaka olana ara-tany (consultation foncière) no niompanan’ny fandraisana. Maro be ny olona tonga midodododo mila fanampiana amin’ny Antoko no noraisina.

Fermer