Songadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY COVID-19: Notolorana ranom-panafody ireo biraom-panjakana eto Analamanga

Antoka mahomby hahafahana manapaka ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 ny famendrahana ranom-panafody ireo toerana sokajina ho maro olona mifamezivezy. Izany indrindra no nahatonga ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Rano Fanadiovana ary Fidiovana nanolotra ranom-panafody ho an’ireo biraom-panjakana be mpampiasa ato amin’ny Faritra Analamanga.

Mbola ny Faritra Analamanga hatreto no mitana ny laharana voalohany amin’ireo toerana ahitana olona maro be indrindra mitondra ny tsimokaretina Coronavirus. Noho izany indrindra no nahatonga ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana (MEAH), hizara ranom-panafody ho an’ireo andrimpanjakana, biraom-panjakana, na tranom-panjakana, sokajiana ho be olona mpivezivezy. Ranom-panafody 1000 bidao no natolotra tamin’izany ho an’ny eto amin’ny Faritra Analamanga, indrindra ireo ato anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tamin’ny Bidao manana fatra dimy litatra no nizarana izany. Ka 40 bidao no nomena ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, izay atolotra indrindra ho an’ireo fiara fitateram-bahoaka eto andrenivohitra sy manodidina ny renivohitra. Ranom-panafody 400 bidao kosa no nomena ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena eto Analamanga, izay apetraka any amin’ireo sekolim-panjakana manerana ny faritra. Tetsy ankilany, ranom-panafody 100 Bidao ihany koa natolotra ny filateavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka, ho an’ireo CSB eto Analamanga. Nahazo ny anjarany koa ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana arak’asa, izay nisitraka 40 bidao. 80 Bidao, ho an’ireo distrika fito mandrafitra ny Faritra Analamanga kosa no natolotra ny Fiadidiana ny Faritra Analamanga. Ary koa, 25 Bidao no nomena ny eo anivon’ny Fonja.

Manatanteraka tan-tsoroka

Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Rano, Fidiovana, Fanadiovana (MEAH), Voahary Rakotovelomanantsoa, dia manome tan-tsoroka rehetra isam-paritra ny Minisitera, fa tsy mijanona fotsiny amin’ireo toerana izay misy ny Covid-19. Eny amin’ireo foibem-paritry ny MEAH dia efa misy ny fitaovanana hahafahana manatanteraka izay tan-tsoroka izay. Tamin’ny herintaona, dia anisany sehatra niara-nisalahy tamin’ny lafiny fisorohana ny fihanaky ny Covid-19 ny MEAH. Nisy koa ny fanofanana natao, niaraka tamin’ny mpiara-miombona antoka. “Asa andavanandro ny fidiovana sy ny fanadiovana fa tsy asa indray andro ka mila tohizana hatrany. Mila mitandro ny fahadiovana isika, mila manaja ny fihetsika sakana rehetra”, hoy ny fanazavana. Mifanindra an-dalana amin’izao fizarana ranom-panafody izao, hisy koa ny fizarana savony, izay tsy hijanona eto andrenivohitra ihany fa hitohy hatrany amin’ny Faritra.

Fermer