PolitikaSongadim-baovaoSosialy

TRANGANA COVID-19 MAHERIN’NY 100 ISAN’ANDRO: Ho fantatra anio ireo fepetra horaisin’ny Fitondram-panjakana

Tsara toerana indrindra hitondra fanampim-panazavana mahakasika ireo raharaha mafana rehetra eto amin’ny Firenena ny Filohan’ny Repoblika, ankoatra ny mahakasika ny ady amin’ny Covid-19 izay tarihiny. Araka ny fanazavana, noho izany, isan’ny horesahany anio alina ny mahakasika ny raharaha volamena 73,5kg, ny olan’ny vatsim-pianarana, ary ny raharaha politika amin’ny ankapobeny.

Inona no fepetra ho raisina manoloana ny fihanahan’ny Covid-19 ? Hiverina amin’ny fihibohana ve sa tsia? Hanao ahoana ny mahakasika ny fanafaran’i Madagasikara vaksiny Covid-19 na tsia ? Saika manodidina ireo avokoa ny fanontanian’ny mpanara-baovao rehetra amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Ity fotoana hifanomezan’ny Filoham-pirenena anio alina amin’ny 08ora ao amin’ny fahitalavi-pirenena ity, noho izany, dia antenaina fa hitondra fanazavan-tsaina ho an’ny tsirairay amin’izay mety ho fanapahan-kevitra rehetra ho raisin’ny Fanjakana foibe, amin’ny ady sy ny fisorohana ary ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19.

Etsy ankilany anefa, amin’ny maha Filohan’ny Repoblika, dia tsy azo hodian-tsy hita ireo tranga miseho rehetra eto amin’ny firenena izay tsara hitondrana fanazavana. Isan’izany ny raharaha volamena 73,5kg izay tena nahabe resaka tokoa hatramin’ny fiandohan’ny taona. Tsy nangina akory ity raharaha ity fa, raha tsiahivina aza, dia vao tamin’ity herinandro ity no niverina naiditra am-ponja indray ireo telo lahy ao Afrika Atsimo noho ny “mandat d’arrêt Internationnal” izay nalefan’ny Fitondram-panjakana malagasy tany amin’ny Polisy iraisampirenena (Interpol), ka nahafahan’ity farany nanao ny fisamborana. Hitondra fanampim-panazavana bebe kokoa mahakasika ity raharaha ity, araka izany, ny Filoha.

Teboka hafa…

Etsy ankilany, isany mbola andrasan’ny maro koa ny fanehoan-kevitry ny Filoha Andry Rajoelina mahakasika ny olan’ny vatsim-pianarana manerana ireo oniversitem-panjakana rehetra manerana ny Nosy. Raha tsiahivina dia efa namaky bantsilana ny olana misy eny amin’ny anjerimanontolo ny Praiminisitra tamin’ity herinandro ity. Voalaza tamin’izany fa vahaolana maharitra apetraky ny Fanjakana ankehitriny hamahana ity olana ity ny fidirana amin’ny “Digitalisation”, ka samy miandry ny fanampim-panazavana avy amin’ny Filoha mahakasika izany isika. Tato anatin’ny andro maromaro koa anefa dia tsy nitsahatra nitondra fanakianana sy nanatanteraka fihetsiketsehana ny teo anivon’ny fanoherana. Azo antoka anefa fa manana ny heviny mahakasika izany koa ny Filoha, amin’ny maha tomponandraikitra voalohany azy eto amin’ny Firenena, ary anisany iantefan’ny fanakianana voalohany. Anio amin’ny 08ora, noho izany, no fotoana.

Fermer