PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA: “Tsy mahomby ireo Minisitra tomponandraikitra raha tsy tafaverina an-tanindrazana ireo volamena 73,5kg”
Hentitra ny Filoha Andry Rajoelina, ny sabotsy teo, raha namaly ny mpanao gazety mahakasika ny raharaha volamena 73,5kg. Nohamafisin’ny Filoha fa tsy maintsy faizina izay voasaringotra amin’iny raharaha iny. Ary raha sanatria tsy tafaverina an-tanindrazana iny volamena iny dia midika ho tsy fahombiazan’ny Minisitra tomponandraikitra, sy ny Fitondram-panjakana iray manontolo mihitsy.
Niaiky ny Filoham-pirenena fa niniana natao ny fanondranana ny Volamena 73,5kg satria ny 31 desambra dia fotoana fakana aina, fety, ary efa mieritreritra ny faran’ny taona ny olona. “Ny fiaingan’ny zotram-piaramanidina toy ireny dia eo Ivato ihany fa tsy any amin’ny Faritra”, hoy ny Filoha. Ity farany izay efa nanome baiko fa na iza na iza voasarigotra dia tsy maintsy faizin’ny lalàna avokoa. Araka izany, nilaza ny Filoha fa manaraka akaiky ny raharaha ireo Minisitra tomponandraikitra. “raha tsy tafaverin’izy ireo eto an-tanindrazana io volamena io dia “échec” ny Minisitra tomponandraikitra, toy izany koa ny Fanjakana malagasy”, hoy ny Filoha. Noho izany, tanjona, hoy izy, ny hamerenana ny volamena eto an-tanindrazana. Hamerena an-tanindrazana koa ireo telo lahy voatazona ao Afrika Atsimo.
Ankehitriny, misy orinasa mitonona fa tompon’ny volamena. Notsiahivin’ny Filoha fa efa notorian’ny Fanjakana malagasy io orinasa io satria mividy entana an-tsokosoko tsy misy alalana. “Manao izay fara-heriny ity orinasa milaza ho tompon’ny volamena ity tamin’ny famoahana ireo telo lahy amin’ny fahafahana vonjimaika. Ny Fanjakana malagasy anefa dia efa nametraka fitoriana teo anivon’ny Interpol momba azy telo lahy ireo satria namoaka harem-pirenena antsokosoko sy tsy nahazoana alalana, nivoaka teto amin’ny faritry ny Firenena malagasy. Izany hoe, izy telo lahy dia tsy maintsy hiverina eto Madagasikara, fa ny fotoana fotsiny no andrasana”, hoy ny fanambarany. Notsindrian’ny Filoha fa diso ny filazan’ny mpanohitra manao hoe ny Fanjakana malagasy no nandoa ny “caution” namoahana ireo telo lahy tany am-ponja, izay mifanohitra tanteraka amin’ny zava-misy.
Volamena 1, 900 taonina
Raha tsiahivina, tamin’ny 25 septambra 2020, noho ny fahafantarana fa betsaka ny mamoaka volamena an-tsokosoko eto amintsika, dia nandray fanapahan-kevitra ny Fitondram-panjakana ny hampitsahatra ny fanondranana ny volamena mivoaka an’i Madagasikara. Tsara ho fantatra fa be dia be ireo mpanondrana volamena izay tsy mamerina akory ny vola vahiny eto amintsika. Ny olona rehetra nanondrana volamena, tao anatin’ny dimy taona farany, dia tsy nisy nanao famerenana vola vahiny avokoa, araka ny nambaran’ny Filoha. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny Orinasa Draden Metal Export izay nanondrana volamena 714,31 kilao, ny volana mey 2019, anisan’ireo tsy namerina vola vahiny mitentina hatramin’ny 178 miliara ariary. Eo koa ny orinasa FIZ Art izay nanondrana volamena 511 kilao, izay mitentina 88 miliara ariary kanefa tsy nisy famerenana vola vahiny koa. Mbola tafiditra ao anatin’ireo orinasa tsy namerina vola vahiny koa ny Miarisoa Export izay nanondrana volamena 126 kilao, mitentina 21 miliara ariary.
Raha atambatra ny volamena nivoaka teto Madagasikara ny taona 2020, dia mahatratra 1, 900 taonina, ary 1% monja no mba nanao famerenana vola vahiny. Ireny rehetra ireny no nahatonga ny Fanjakana nandrara ny fanondranana aloha. “Tokony haha mari-toerana ny volantsika ireny vola vahiny ireny kanefa taraiky any ivelany”, hoy ny Filoha.




