Songadim-baovaoSosialy

BENENITRA SY AMPANIHY: Hirosoana ny vahaolana marolafy hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Tsy iandrasana ny fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka foana ny fitondrana vahaolana eto amin’ny firenena fa afaka manampy ny vahoaka ireo rafitra misy eto amintsika”.Hoy Praiminisitra Ntsay Christian. Nijery zava-misy sy nitondra fanampiana ho an’ny vahoaka tena sahirana amina toerana maro ao amin’ny distrika izay trangana tsy fanjarian-tsakafo vokatry ny haintany ny delegasiona izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ny Asabotsy teo. Laharam-pahamehana amin’izany ny fitadiavana vahaolana amin’ny famatsian-drano, tsy natao ho fisotro ihany fa hampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana ihany koa ka hanamora ny fiharian’ny mponina ary hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Eo ihany koa ny fanorenana sy fanamboarana ireo fotodrafitrasa fototra, toy ny sekoly, ny toeram-pitsaboana, ny lalana ary ireo tranom-panjakana isan-tsokajiny.

Araka izany dia apetraka ao amin’ny distrikan’i Benenitra sy Ampanihy ny tohadrano amin’ny reniranon’i Sakamarey izay hanondraka velarantany 3 000 hektara. Ankoatra izay, notolorana fanampiana ara-tsakafo ireo kaominina tratry ny kere ary nomena masomboly ihany koa ireo tantsaha. Manaraka izany, hatao rarivato mirefy 1km ny lalana ao an-tampon-tanàna ary hisy koa ny fanorenana kianja fanatanjahantena maro lafy, hisitraka rano fisotro madio ny mponina, ary hametrahana biraon’ny Commissariat ihany koa ao.

Olona maherin’ny 19 000 hisitraka ny “Tosika Vonjy Aina”

Ho vonjy rano vaky dia napetraka ao Ampanihy ny “Tosika Vonjy Aina” ka olona maherin’ny 19 000 no hisitraka izany. Ankoatra izay, napetraka ny “Centre de Coordination Opérationnelle contre le Kere” (CCOK) tany an-toerana ary nametrahana ny vato fototra ho fanombohana ny asa fanorenana lava-drano ihany koa tao amin’ny kaominina Androimpano. Manaraka izany, hamboarina ihany koa ny lalam-pirenena faha-10, ary mbola nohamafisin’ny Praiminisitra fa “tsy afaka mijery lavitra isika raha tsy mijery ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanabeazana”, ka hisitraka hopitaly manara-penitra sy sekoly manara-penitra ny distrikan’Ampanihy. Mba hanatrarana ny tanjona rehetra apetraka anefa dia ilaina ny fiarahan’ny rehetra misalahy, hoy ny Lehiben’ny Governemanta. Toy ny fanaon’ny iraka avy amin’ny Filohan’ny Repoblika rehefa misy fitsidahana tahaka izao, dia nisy ny fivoriana arak’asa niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra amin’ireo toerana notsidihana; hitadiavana ny vahaolana fohy sy lavitr’ezaka ho fanohitry ny tsy fanjarian-tsakafo ateraky ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, hifanankalozana mahakasika ireo paik’ady entina hampandrosoana ireo distrika roa ireo sy ny kaominina ao aminy, ary nandinihana ny fitantanan-draharaha ankapobeny. Nametraka fanamby ny amin’ny hampandrosoana haingana an’i Madagasikara ny Fitondram-panjakana, hoy ny Praiminisitra, ary notsiahiviny hatrany fa tsy tokony hisy distrika latsa-danja intsony manerana ny Nosy. Noho izany dia hojerena ary hitondrana fanamboarana ireo fotodrafitrasa ilain’ny mponina, ka hampivoarana ny Faritra Atsimo-Andrefana. Ankoatra ireo ministera voakasika amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, toy ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny vehivavy, ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana , ary ny Ministeran’ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono, dia nandrafitra ny delegasiona notarihin’ny Praiminisitra ihany koa ny avy amin’ny BNGRC, ny ONN, ary ny CPGU; izany dia mba hahafahana mijery izay vahaolana maharitra satria efa fotoana maro no niainan’ny firenena, indrindra ny faritra Atsimo, ny tsy fanjarian-tsakafo.

Néla (Mpianatra asa)

Fermer