KolontsainaSongadim-baovao

FARITRA ANALAMANGA SY IREO TOERANA AHITANA TRANGA MARO : Voarara ny fanaovana fampisehoana, ho fisorohana ny Covid-19

Manoloana ny fisorohana ny fihanahan’ny valanaretina covid-19, amin’ireo Faritra ahitana tranga ambony, dia namoaka fanambarana ny avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina omaly, ny amin’ny tsy hanaovana fampisehoana sy ny famoriana olona mihoatra ny 200. Maro ireo mpanakanto no nanemotra ny fampisehoany…

Ho fanatanterahana ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika, tamin’ny fandaharana nataony, ny sabotsy lasa teo, nitafany tamin’ny vahoaka malagasy,  momba ny fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina covid-19. Taorian’ny dinika nifanaovan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia namoaka fanambarana fa tsy azo atao ny fampisehoana ara-javakanto rehetra, izay hamoriana olona mihoatra ny 200 na anaty efitrano na ankalamanjana na amin’ireo toerana voalaza manaraka ireto. Isan’izany ny Faritra Analamanga iray manontolo, ny Faritra Diana, ny Kaominina an-drenivohitra Mahajanga, ny Kaominina an-drenivohitr’Antsirabe, ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina, ary ny Kaominina an-drenivohitr’i Fenoarivo Atsinanana. Antony, noho ny tahan’ny valanaretina covid-19 efa ambony, amin’ireo toerana ireo ka mila fitandremana fatratra. Nasongadin’ny fanambarana fa ho an’ireo Faritra hafa tsy tafiditra ao anatin’ireo voatanisa ireo, dia tsy ilaina ny fakàna ny hevitry ny minisitera fa avy hatrany  dia afa-manapa-kevitra ny Prefektiora any an-toerana, arakaraka ny fandanjalanjany ny toe-draharaha ara-pahasalamana misy any amin’izy ireo. Na izany aza, dia misy ny fihaonana manokana amin’ireo mpikarakara lanonana  matihanina, aorian’ny fanambarana, handinihina ny fanapahan-kevitra horaisina mikasika ny hetsika ara-kolontsaina, amin’ireo toerana voarara rehetra, mandritra ny faran’ny herinandron’ny Paka.

Mahatsiaro voa mafy ny mpanakanto…

Manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitondram-panjakana, ho fisorohana ny fihanahan’ny valanaretina covid-19. Maro ireo mpanakanto sy ireo mpikarakara fampisehoana no mahatsiaro sahiran-tsaina tanteraka satria ny ankatoky ny Paska toa izao no tena fanaovan’izy ireo fampisehoana. Eo tokoa no mifarana ny fotoam-pahavaratra ary fanokafana ny taom-pampisehoana, saingy nosomparan’ny valanaretina covid-19 indray. Isan’ireo mpanakanto nanafoana ny hetsika,  roa herinandro mialoha ny fampisehoana i Samoëla, izay karakarain’ny BeMozika, tokony hotanterahina ny 27 marsa izao etsy amin’ny CC Esca Antanimena. Manampy io koa ny fampisehoana tokony hataony miaraka amin’ny mpanakanto Tovo J’hay any Mantasoa, amin’ny alatsinain’ny Paska.

Isan’ireo efa nanao fanambarana koa i Rija Ramanantoanina, Luk ary Mahery fa hanemotra ny fanamarihana ny faha-25 taona niarahan’izy ireo nanao « cabaret », tokony hotanterahina ny zoma hoavy izao. Isan’ireo mpanakanto nanajanona  ny fampisehoany koa i Fara Gloum, izao tokony hiaka-tsehatra any Toamasina. Ny Tanora Masina Itaosy aza, saika hanatanteraka fampisehoana rindran-kira ara-pilazantsara ny sabotsy teo, tetsy amin’ny FLM 67 ha, dia efa nanafoana izany. Manoloana ireo zava-miseho izao, dia mahatsiaro ho voa mafy ny mpanakanto, ary heverina ny hisian’ny vahaolana ho azy ireo avy amin’ny Fitondram-panjakana.

Fermer