Songadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY COVID-19 : Nohenjanina ny fepetra ao Mahajanga, noferana ny fahafaha-mivezivezy
Araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena nandritra ny fampahafantarany ny fisian’ny « varian sud-Africain » eto Madagasikara, nohamafisina ny fepetra ara-pahasalamana. Fantatra fa niroso amin’ny famerana ny fivezivezena ny ao Mahajanga ary hikatona amin’ny 27 marsa ny sisintanin’ny Madagasikara.
Manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina covid-19 eto madagasikara indrindra fa ilay coronavirus amin’ny endriny vaovao « variant » izay hita ao Mahajanga, nohamafisina ny fepetra ara-pahasalamana ary nirosoana ny famerana ny fivezivezena amin’ny ampahany, any an-toerana. Araka ny fampahafantarana navoakan’ny CRCO Faritra Boeny dia hitsahatra mandritra ny 15 andro ny fampianarana ao Mahajanga, hihatra any an-toerana ihany koa ny tsy fahafahana hivezivezy amin’ny alina ary hirava amin’ny 4 ora avokoa ireo mpiasa rehetra any an-toerana manomboka anio, mba ahafahana mampihena ny fivezivezena. Fantatra ihany koa fa tapaka manomboka anio ny fitaterana an-tanety rehetra mampitohy an’i Mahajanga amin’ny Faritra hafa , fa hisokatra kosa izany ao an-tampon-tanàna sy amin’ny faritra tsy dia lavitra manodidina. Ho tapaka amin’ny ampahany ny lalam-pirenena fahefatra, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny ATT, hatreo Ambondromamy ihany no azo aleha raha toa ka avy aty Antananarivo ary hatreo Andranofasika, raha avy any Mahajanga.
Hisy sakana, ary tsy hisy afaka hampiasa io ampahan-dalana tapaka io mihitsy, na fiaran’olon-tsotra izany, na moto, na bajaj sy ireo rehetra mety ho fitateranan’olona ankoatra ireo fiara mpitatitra entana. Nohamafisin’ny Tale Jeneralin’ny ATT fa ho hentitra ny fanarahamaso, ary hiharan’ny sazy avy hatrany ireo minia mandika ny fepetra. Araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena nandritra ny fampahafantarany ny fisian’ity « variant sud-Africain » ity eto amintsika, dia nirosoana avokoa ireo paikady rehetra hahafahana mifehy ny ho mety fiparitahan’izany manerana ny Nosy. Hiharan’ny fatapahan-dalana ihany koa ny zotra rehetra hihazo an’i Nosy Be, na andranomasina izany, na an-tanety, izay hifarana hatreo Ambanja, eny fa hatramin’ny fitaterana an’habakabaka izay hikatona tanteraka anatin’ny 15 andro.
Hiato manomboka ny 27 marsa izao ny sidina iraisampirenena ao Nosy Be
Nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny Fahitalavitra Nasionaly TVM no nitondran’ny teo anivon’ny ACM fanazavana mahakasika ny fikatonan’ny habakabak’i Madagasikara, raha nampahafantatra ny lamina amin’ireo sidina farany kosa ny teo anivon’ny Kaompaniam-pitaterana Tsaradia. Tamin’izany no nanambaran’ny Tale jeneralin’ny ACM fa hifarana ny 27 marsa izao ny sidina Iraisam-pirenena izay raisina ao amin’ny seranam-piaramanidina ao Nosy be, ary nohamafisiny fa aorian’izay, dia hikatona tanteraka ny sisintany fa ny fiaramanidina mpitatitra entana kosa dia hanohy ny asany hatrany. Fantatra nandritra izany fa sidina telo sisa no hivoaka sy hiditra eto Madagasikara mandrapahatongan’io daty io. Notsipihiny mazava fa ny sidina anatiny dia mbola mitohy hatrany ankoatra ny miditra sy mivoaka ao Mahajanga sy Nosy Be izay hitsahatra manomboka anio. Nasiany tsindrim-peo manokana ihany koa ny mahakasika ireo fiaramanidina manokana izay tsy misy mahazo alalana hisidina na iray aza, ankoatra ireo hitondra marary ho tsaboina any ivelany na ny « Evasan ». Ity farany izay tsy maintsy manaraka ny pitsopitsony rehetra takiana ny amin’izany. Ankilany, nitondra fanampim-panazavana mahakasika ireo sidina telo farany sy ny fepetra raisina amin’ireo mpandeha ho avy eto an-tanindrazana ny teo anivon’ny kaompania Tsaradia. Fantatra fa tsy maintsy manana ny taratasy manamarina ny tsy fitondrana ny Covid-19 « test PCR negatif » avokoa ireo mpandeha hiditra sy hivoaka rehetra. Nambarany fa ny kaompania mpitaterana Ethiopian Airlines no hanatontosa ireo sidina farany ireo.
Sata (mpianatra asa)



