Songadim-baovaoSosialy
FITAOVANA AVY AMIN’I CHINE : Hanampy amin’ny fandraisana an-tanana ireo « formes graves »
Mitohy ny fiarahamiasantsika amin'ny Governemanta sinoa ho fanamafisana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara. Araka izany, nitondra ny anjara birikiny amin'ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ireo ekipa medikaly alefan'ny Governemanta sinoa eto amintsika.
« Respirateurs » miisa sivy (09) sy « Aspirateurs de sécrétions » roambinifolo (12) isa ary « Extracteurs d’oxygène » miisa telo (03), ireo no natolotry ny Governemanta Sinoa ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ho fanamafisana ny ady amin’ny Covid-19 eto Madagasikara. Araka ny fanazavana, ireo fitaovana ireo dia hanampy ireo fitaovana efa ananan’ny Minisitera amin’ny fandraisana an-tanana ireo tranga misy fahasarotana (formes grave) ary ho tsinjaraina manerana ireo hopitaly misy ny filàna izany. Ankoatra izao fampitaovana izao, dia mifanome tanana amin’ny mpitsabo malagasy eny anivon’ny Hopitaly lehibe efatra manerana ny Nosy izy ireo, dia ny Hopitaly Anosiala ho an’Antananarivo, Hopitaly any Sambava, Hopitaly any Ambovombe ary Hopitaly any Vatomandry. Tsiahivina fa nandritry ny efapolo taona no efa nisian’ny fiarahamiasa teo amin’ny firenena roa tonta ary ekipa medikaly faha-23 izao andrasana ho avy hiasa eto izao.
Nankasitrahan’ny Fanjakana malagasy
« Niara-niasa tamintsika foana izy ireo ary ireto ekipa farany ireto dia nifanampy tamintsika manoloana ny covid-19 tamin’ny fampitaovana ireo Hopitaly niasany sy indrindra koa nizarany ny traikefany« , hoy Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Nandritra izao lanonana izao ihany koa dia nisy ny fanolorana mariboninahitra « Chevalier de l’Ordre du Mérite » avy amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy ho an’ ny mpitarika ireo mpitsabo sinoa ireo omaly ho fankasitrahana ny asa vitan’izy ireo teto amintsika. Araka izany, nanamafy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, fa ny Fitondram-panjakana ankehitriny dia mankasitraka izao fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izao satria mifanandrify indrindra amin’ny politikam-panjakana dia ny fitsaboana manatona vahoaka sy ny fitsaboana ho an’ny rehetra, araka ny Velirano fahadimy nataon’ny Filohampirenena.
Nangonin’i LR.




