Songadim-baovaoToekarena
FADINTSERANANA MALAGASY: Tafapetraka ny « Brigade Canine » hitsirika ny fanondranana antsokosoko
Paikady vaovao no hapetraka hisorohana ny fanondranana antsokosoko eo anivon’ireo Fadintseranana manerana ny Nosy manomboka izao, dia ny fampiasana alika hitsirika ireo entana, na ny « Brigade Canine » izany. Alika miisa fito no nahazo fanofanana manokana ary afaka hamantatra avy hatrany ny mety ho fisiana vola na zava-mahadomelina ao anatin’ny entan’ny mpandeha miditra na mivoaka ny seranana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Hiara-hisalahy amin’ireo mpiasan’ny fadintseranana eny amin’ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo, manao ny fisavana ny entana, ireo alika ireo. Amin’ny alalan’ny fifofonana ny entana no hamantaran’ireo alika ireo ny fisiana zavatra mampiahiahy anatin’ny valizy na ny kaontenera, araka ny fanazavana hatrany. Nambaran’ny tomponandraikitra fa hiasa eo amin’ny seranam-piaramanidina Iraisampirenena eo Ivato sy any Nosy Be, ary ao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina ireto andiany voalohany ireto. Nohamafisiny fa santatra am-bavarano ihany izao fa mbola ho avy ny manaraka ary tombanana hisitraka ny « brigade Canine » avokoa ireo Fadintseranana valo manerana ny Nosy sy ny seranan-tsambo rehetra eto Madagasikara. Fantatra nandritra izany, fa misy ny fanarahamaso manokana ny fahasalaman’ireto alika ireto izay hiantsorohan’ny Vetclinic.
Miasa ary miezaka ny Fadintseranana
Tsiahivina fa anisany toromarika nomen’ny Filoham-pirenena, ny tokony hiarovana ireo harem-pirenena misy manondrana antsokosoko, sy ny tokony hialana amin’ny gaboraraka eny anivon’ny seranana. Nambaran’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola, Richard Randriamandranto, nandritra ny lanonana fampahafantarana, fa dingana lehibe no natao nahafahana nametraka « brigade Canine ». Nohamafisiny fa tsy mora ny asan’ny Fadintseranana ary azo tsapain-tanana fa tena miezaka manao ny asany izy ireo na dia eo aza ny fanedrikendrehana sy fanasoketana maro samihafa ataon’ny hafa. Nanao antso avo amin’ny rehetra ihany koa ny tenany ny tokony hanovana ny toe-tsaina sy ny fitiavana hosoko ary ny kolikoly, izay mateti-piseho eny amin’ireny seranana isan-karazany ireny. Nahitsy ny Minisitra raha nilaza fa tsy fotoana ny fanadiovan-tena izao fa fotoanan’ny fandraisana andraikitra. Ny fiarahamiasa teo anivon’ny Fadintseranana malagasy sy ny OIM izay nanome ny fampiofanana ary ny Governemanta Japoney nanolotra ny alika no nahafahana nametraka ny « brigade Canine ». Hantenaina fa hanome aina vao ny fomba fiasa eny anivon’ny Fadintseranana manerana an’i Madagasikara ny fisian’ity Bridagy vaovao ity.
Sata (mpianatra asa)




