Songadim-baovao
Fanatanterahana velirano : Misongadina ny fampandrosoana ny Faritra Ihorombe
Nandritra ny dimy volana nitantanan’ny Governoran’ny Faritra Ihorombe, dia hita taratra ny fampandrosoana ny Faritra, toy ny fanamboaran-dalana, ny fametrahana ireo fotodrafitrasa isan-karazany. Tsy latsa-danja ny fampivoarana ny fiainan’ny mponina amin’ny lafiny maro…

Vao dimy volana monja dia misongadina ny fampandrosoana ny Faritra Ihorombe, taorian’ny nandraisan-dRamatoa Governoran’Ihorombe Nomenjanahary André Tafita Sareine, ny fitantanana. Teboka iray ao amin’ny Velirano faha-11 ny fanamboaran-dalana. Tao anatin’ny telo volana monja, dia efa vita ny lalana rarivato ao an-tampon-tanànan’ny Kaominina ambonivohitra Ihosy. Isan’ny laharam-pahamehan-dRtoa Governora ny famoahana ny vokatra any amin’ireo kaominina saro-dalana, izay nambarany fa marobe ireo kaominina afa-mamoaka ny vokatra, saingy noho ny lalana ratsy dia sahirana. Nasongadiny fa tafiditra ao anatin’ny velirano faha-11 ny fanamboaran-dalana ka lalan-tany 26 km mampitohy an’ny Kaominina ambanivohitra Ranotsara sy Andranombao no efa amboarina nanomboka ny volana febroary lasa teo, izay hovitaina ao anatin’ny dimy volana. Ny fandaharanasa Defi any Ihorombe no miara-miombona antoka amin’ny Fanjakana, amin’ny famitana izany lalana izany. Ankoatra izay, miteraka asa ho an’ny mponina eny manodidina ny fanamboarana ity lalana ity satria misedra olana tanteraka ny tantsaha any an-toerana, vokatry ny tsy fisian’ny orana tao anatin’ny roa taona izay. Nanome toky ity andriambavilanitra Governora ity, fa vonona ny hampandroso ny Faritra Ihorombe, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo asa marobe mifandraika amin’ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika.
Miroso hatrany ny fampivoarana…

Eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay tafiditra ao anatin’ny velirano voalohany, efa vita ny « Base opérationnelle avancée » na BOA ao Iakora, handray ireo vata miaramila, hiantoka ny fitohizan’ny fandriampahalemana any an-toerana. Efa vita ny Zana-tobim-paritra ho an’ny Zandarimariam-pirenena, ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Andranombao, ao amin’ny distrikan’Iakora sy ny ao Antaramena, distrikan’Ivohibe. Miandry fitokanana ny biraon’ny Polisim-pirenena ao Ihosy Tampon-tanàna. Tafiditra ao anatin’ny Velirano faha-13, ny fanohanana ny tanora. Efa an-dalana ny fanamboarana ny Kianja manara-penitra, izay madiva ho vita ao amin’ny Faritra Ihorombe. Efa manomboka koa ny fanamboarana ny Kianja mitafo ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Ihosy.

Ho fampivoarana eo amin’ny lafiny teknolojia, dia nametrahan’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra « wifi » maimaimpoana ao Ihosy tampon-tanàna. Efa vita rahateo ny « smart village » ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ranotsara Avaratra sy Ivohibe ary ny Kaominina ambanivohitra Ivongo sy ny distrikan’Iakora. Araka izany, tsy hitoka-monina ara-pifandraisan-davitra intsony ireo Faritra ireo. Ny 8 marsa lasa teo, nandritra ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy, tao Ranotsara Avaratra, nisy ny fizarana aron’akanjo ho an’ireo mpianatra. Taorian’izay, dia niroso tamin’ny fambolen-kazo ireo Vehivavy, izay notarihin-DRamatoa Governoran’Ihorombe Nomenjanahary Andre Tafita Sareine sy Ramatoa Filohan’ny Vehivavy 8 Marsa ao Ranotsara. Zanakazo kininim-boasary miisa 1000, avy tamin’ny DREDD Ihorombe no novolena tamina tany 1 ha niaraka tamin’ireo Fikambanam-behivavy avy ao Ranotsara sy Iakora.




