Songadim-baovaoSosialy
ANTANANARIVO RENIVOHITRA: Hanampy amin’ny famatsian-drano ireo fiarabe miisa roa vaovao
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fepetra fisorohana ny fihanaky ny valanaretina ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony. Mitaky fepetra fanarahana anefa izany. Antony nahatonga ny mpiara-miombona antoka tsy mikely soroka amin’ny fanohanana ny Governemanta malagasy amin’ny fampitaovana isankarazany, hahafahana manaja ireo fepetra sakana. Araka izany indrindra, omaly, 24 Marsa 2021, fiarabe roa mpitatitra rano hanampiana ny Jirama amin’ny famatsian-drano eto Antananarivo Renivohitra no noraisin’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana. Ity fanampiana ity, izay natolotry ny Unicef, dia avy amin’ny tohana nomen’ny Fanjakana Noverzianina.
Ireo fiara ireo dia nanampy ireo fiarabe telo efa azon’ny Minisitera ny volana janoary teo, izay vokatry ny famatsiam-bola avy amin’ny Koreana, tamin’ny alalan’ny KOICA. Araka izany, hanatsara ny fitsinjarana rano fisotro madio amin’ireo kartie maro eto andrenivohitra, ary ireo kaominina manodidina izay manana fahasahiranana amin’ny fahazoana rano, ireo fiarabe ireo. Nanazava ny tomponandraikitra fa miisa 125 000 ireo olona hahazo tombontsoa amin’izao fampitaovana izao. Tsiahivina fa miisa 125 ireo siniben-drano mila apetraka eto andrenivohitra, raha ny fanazavan’ny Minisitera. Siniben-drano izay hovatsiana amin’ny alalan’ny fiarabe mpitatitra rano.
Fiatrehana ny Covid-19
Araka ny nambaran’ny Minisitra Rakotovelomanantsoa Voahary, tafiditra ao anatin’ny vahaolana antonontonony ezaka sy lavitr’ezaka ho an’ny famatsian-dranon’ny Jirama izao fampitaovana izao. Etsy ankilany, « zava-dehibe ho an’ny fahasalamana sy ny fidiovan’ny vahoaka ny fahazoana rano, indrindra amin’izao fiatrehana ny Covid-19 izao. Ny Noverzianina dia manantena fa hanampy amin’ny fiatrehan’ny vahoaka an-tanànan-dehibe ny valanaretina izao fiarahamiasa izao”, hoy ny Masoivohon’I Norvège eto amintsika, Andriamatoa Andreas Danevad. Tsara marihana fa izao fiarahamiasa izao dia mbola tafiditra tanteraka ao anatin’ny fisorohana ny fihanaky ny Covid-19, ary ho fanatsarana ny tontolon’ny fahasalamana amin’ireo tanàn-dehibe roa, dia Antananarivo sy Toamasina. Tetsy Ankorondrano, teo anatrehan’ny Ambasadaoron’I Norvège, ny Solontena maharitry ny Unicef, ary ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana no nanolorana ireo “camion citerne” omaly.




