PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA : Vonona amin’ny famerenana ny hasin’ny Fitsarana
Sehatra anisany haharaisana fitarainana betsaka ny tontolon’ny fitsarana eto amintsika. Omaly, nandritra ny fandraisany ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara na ny CSM teny Iavoloha, nanome toromarika mazava ny Filoha momba ny hamerenana ny hasin’ny Fitsarana eto Madagasikara. Iankinan’ny firenena ny Fitsarana ary natao eken’ny vahoaka, hoy izy. Vonona hiara-hiasa amin’ny CSM ny Filoha hanadio ny sehatry ny Fitsarana sy hamerina ny hasiny. Maro be ny fitarainana voarain’ny Filoha amin’ny raharaham-pitsarana ary misy mihitsy ny Mpitsara voatonona manokana mampitaraina ny manana raharaha amin’ny Fitsarana, raha ny fanazavana. Manana anjara andraikitra amin’ny fametrahana ny Fitsarana tsara tantana, mangarahara sy lavitry ny Kolikoly ny CSM, hoy ny Filoha.
Toromarika nomeny ny fahasahiana manome ny sazy amin’ireo manao ny tsy ara-dalàna, izay mety ho tonga amin’ny fanesorana ny mpitsara amin’ny asany mihitsy. Etsy ankilany, nanome baiko ny hanomezana fankasitrahana toy ny “promotion” ireo mpitsara manao ny asany, araka ny tokony ho izy kosa, ny Filoha. Rafitra natao ho mpanara-maso ny fitsipi-pifehezan’ny mpitsara ihany koa ny CSM ka tokony tsy hametraka ny fifampiarovana amin’ny mitovy asa tsy ara-drariny na ilay antsoina hoe “corporatisme”.
Fanamboarana fotodrafitrasa
Efa mandeha amin’izao fanamboarana ireo fotodrafitrasa amin’ny seha-pitsarana izay efa natomboka tao anatin’ny roa taona, toy ny fananganana ny Fitsarana Ambaratonga voalohany miisa dimy eto Madagasikara. Efa hanomboka koa ny fanamboarana ireo efatra hafa. Manana vina hametraka valo hafa ny Filoha mandrapahatapitry ny fotoam-pitondrany. Eo koa ny fananganana fonja toy ny eny Imerintsiatosika sy Fianarantsoa. Nankasitraka sy nitso-drano ireto mpikambana vaovao eo anivon’ny CSM ireto ny Filoha amin’ny adidy izay hiantsorohan’izy ireo mba hitondra zava-baovao sy fanatsarana eo amin’ny lafiny fitsarana. Marihina fa fivoriana voalohany notanterahin’ny mpikambana ity natao ity, natrehin’ny Filoha Andry Rajoelina, izay sady Filohan’ny CSM omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.
Nangonin’i LR.




