PolitikaSongadim-baovao
FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA : Voafidy avokoa ireo mpikambana enina, andrasana ireo telo tendren’ny Filoha
Rafitra farany nanatanteraka ny fifidianana izay ho solontenany eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara (CSM), ny zoma lasa teo. 59 ireo nirotsaka hofidiana tamin’izany, araka ny fantatra. Mpitsara 14 amin’ireo mpikambana 20 eo anivon’ny CSM, no nifidy an’i Florent Rakotoarisoa, sy i Bakoly Germaine Ratovonoelinjafy, izay lany hisolontena ny CSM ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Florent Rakotoarisoa, izay efa minisitry ny Atitany tamin’ny fotoanan’ny Tetezamita, ary isan’ireo namolavola ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra, hiainantsika ankehitriny. Efa mpitsara teo anivon’ny HCC tamin’ny fiandohan’ny Repoblika fahatelo ihany koa. I Bakoly Germaine Ratovonoelinjafy, Filoha mpisolo toerana eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Ambony no mpitsara faharoa nahazo vato be indrindra tamin’ireo kandida 59. Tsara marihana fa nandray anjara tamin’ny fifidianana koa ny Filohan’ny Repoblika, izay sady Filohan’ny CSM.
Raha ny nambaran’ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny Richard, dia tao anaty fanarahan-dalàna sy ny fangaraharana tanteraka no nanatanterahana ny fifidianana. Izay noheverina fa afaka hamerina ny hasina sy ny fatokisana ny Fitsarana no nofidian’ny maro an’isa, hoy izy. Ireo olona roa ireo noho izany no voasafidy noho ny traikefa sy ny “Grade” ary ny fahalalana izay nananan’izy ireo hatramin’izay. Notsindrian’ny Minisitra tomponandraikitra fa nanana ny maha izy azy avokoa ireo 59 nilatsaka hofidiana teo anivon’ny CSM.
Mpitsara telo lahy sy telo vavy
Raha tsiahivina dia tontosa ny herinandro teo avokoa ny fifidianana ireo solontena roa avy, avy tamin’ny Antenimiera roa tonta. Hatreto izany, mpitsara vehivavy telo sy mpitsara lehilahy telo no voafidy ho mpikamban’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Ho an’ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena, lany ho solontena, Rasolo Nandrasana Georges Merlin (mpitsara) nahazo ny isam-bato 71 amin’ny isan-jato 24,23%, raha nahazo isa 68 kosa, Noelson William (mpitsara), izay nahatratra 23,21%. Ho an’ny Antenimierandoholona kosa indray, rehefa natao ny fanisam-bato, lany tamin’ny isa mitovy 16 i Rojoniaina Ranaivoson Andriamaholy (mpitsara), laharana faharoa tamin’ireo kandidà, ary Rakotoniaina Antonia (mpitsara), laharana faha-10 tamin’ireo kandidà. Araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, fito taona tsy azo havaozina ny fe-potoana hiasan’ny mpikambana.




