Manokana Covid-19Songadim-baovaoSosialy

ANTONTANISA COVID-19 : 739 ireo tranga voamarina tao anatin’ny telo andro

Mitombo isa hatrany ireo olona voamarina fa mitondra ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Fantatra fa miisa 739 ireo olona voaporofo fa voan’ny Coronavirus tamin’ny fitiliana 2425 natao nandritra ny telo andro farany. Marary miisa 1904 ihany koa no mbola manaraka fitsaboana, araka ny antontanisa hatrany, raha 201 amin’ireo dia mampiseho ilay tranga misy fahasarotana na ilay antsoina hoe « formes graves ». Mihazakazaka izay tsy izy ny fiakatry ny tarehimarika, indrindra fa ny eto amin’ny Faritra Analamanga. Lohalaharana hatrany ny eto afovoan-tany, ny antontanisa omaly dia nanamafy fa misy ny tandrevaka eto Analamanga, satria raha miisa 384 ny tranga vaovao manerana ny Nosy 285 tamin’ireo dia teto avokoa. Na dia eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy miraviravy tanana ny Fanjakana fa manao ny ezaka rehetra ahafahana  mifehy ity valanaretina ity. Olona miisa 210 no fantatra fa sitrana soa aman-tsara rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo.

 

Misoko mangina ny Covid-19

 

Manoloana izao loza mianjady amin’ny firenena izao, nambaran’ny Tomponandraikitra fa nahetsika avokoa ireo rantsamangaika sy herivelona rehetra manerana an’i Madagasikara mba hanao ny fanentanana sy  fiarovana ny mpiara-belona. Ny minisitera isan-tsokajiny ihany koa dia miezaka miaro sy mampitombon’ny herin’ireo mpiasa, amin’ny alalan’ny fizarana CVO+, araka ny loharanom-baovao hatrany.  Raha ny fantatra tokoa mantsy dia efa eto Madagasikara ilay coronavirus amin’ny endriny vaovao avy atsy Afrika Atsimo, ka dia tokony hampitomboana avo foloheny ny fiarovana ny mpiray tanindrazana. Mampametra-panontaniana ny zavamisy satria raha ny antontanisa nandritra izay hateloana izay no jerena dia olona miisa 16 no indray nindaosin’ny fahafatesana. Tsy tokony ho variana ny rehetra, noho izany, fa tokony ho samy hanaja ny fepetra sakana ary tokony ho henjanina ny sazy ho an’ireo minia mandika, izay hany vahaolana tokana ahafahana mandresy ny coronavirus.

 

Sata (mpianatra asa)

 

 

Fermer