Manokana Covid-19Songadim-baovaoSosialy

2 085 MBOLA TSABOINA, 275 « FORMES GRAVES » Misokatra ny CTC-19 Mahamasina, hentitra amin’ny fampanajana fepetra ny Praiminisitra

Ankoatra ny efa fisokafan’ny Centre de Traitement Covid (CTC-19) eny Ivato, noho ny fiakaran’ny taham-pahazoana ny valanaretina coronavirus, eto amintsika, anisan’izany ny eto Antananarivo, naverina nosokafana ihany koa ny CTC-19 etsy Mahamasina, ary tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian…

Mitombo izay tsy izy amin’izao fotoana ny tahan’ny olona voan’ny coronavirus, eto amintsika, ary anisan’izany ny eto Antananarivo Renivohitra. Nandray fepetra toy ny tany aloha ny Fitondram-panjakana, nanokatra indray ireo ivon-toeram-pitsaboana ity valanaretina ity, dia ireo « Centre de Traitement Covid-19 » (CTC-19), miisa roa amin’izao fotoana, dia ny eny Ivato sy etsy Mahamasina. Tsy mitsahana mijery izay fepetra tokony horaisina ny Fitondram-panjakana manoloana ny fiatrehana ny firongatr’ity valanaretina eto ity. Izany indrindra no nanokafana indray ireo ivon-toerana roa ireo, handraisana marary isan’andro anatin’ny 24 ora. Ny etsy Mahamasina, izay mahazaka marary hatramin’ny 200, lahy sy vavy, ary mpitsabo miaramila hatrany no handray an-tanana ireo marary ao. Manana anjara andraikitra fijerena izay marary tonga ao an-toerana izy ireo, saingy ny tena imasoany dia ireo marary manohy fitsaboana, na koa marary mila atao fitiliana. Miara-miasa koa amin’ny BIS eny amin’ny Village Voara, ka fantatra fa anisany mandray ireo marary avy eny Andohatapenaka, izy ireo, ankoatra ireo marary alefa eny amin’ny hopitaly. « Ho fanavaivanana fandraisan’ireo hopitaly mararin’ny covid, izay tsapa fa tsy maharaka intsony amin’izao fotoana, no antom-pisian’ny CTC Mahamasina. Noho izany, mandray ireo marary manohy fitsaboana ny eto, ary mandray an-tanana ny marary vao tonga ihany koa. Tsy azo lavina anefa ny fandraisana ireo manana fahasarotana, raha ilaina izany », hoy ny Médecin Général de Division Rasamimanana, isany nanokatra ny CTC Mahamasina. Mahatratra 36 ireo miaramila dokotera mandray an-tanana ny marary eny Mahamasina, ka mandeha tsiroaroa na tsitelotelo, mifandimby. Ahitana mpitsabo mpanampy miisa 53, ary misy dokotera mpianatra asa miisa 16. Misy koa ny mpiasa misahana manokana ny fahadiovana. Ny Praiminisitra Ntsay Christian, no tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny CTC Mahamasina, omaly.

« Ny taksibe no mpanaparitaka ny valanaretina »

Tsy nihambahamba ny Praiminisitra, omaly, nilaza fa ny taksibe na ireny fitateram-bahoaka ireny no maro mpanaparitaka ny coronavirus. Nambarany, fa antony mampirongatra be ny antontanisa amin’izao fotoana ny fisian’ireo taksibe tsy manara-dalàna, dia ny fanaovana taingimbe sy ny fampiasana hatrany ny seza volamena izany. « Mitaky ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay ity ady hatrehina ity, ary tokony hitandrina hatrany amin’ny fandehanana ireny taksibe ireny. Manaitra ireo mpamily sy mpanampy azy hampanaja ireo fepetra sakana », nanampy fanazavana ny Praiminisitra Ntsay Christian. Hentitra ity tompon’andraikitra ity nilaza, fa mba tsy hahatongavantsika amin’ny fepetra sarotra indray, dia tokony ho tonga saina, satria ny ain’ny Malagasy no zava-dehibe. Nambarany fa tsy maintsy raisina ny fepetra fihibohana raha toa ka mirona hatrany amin’ny hamafisan-doha ny rehetra.

« Tokony ho ampy ny entontaina ilaina amin’ireo marary »

Manoloana ny resaka mandeha amin’izao fotoana indray, mikasika ny enton’aina (oxygène) tsy ampy eny anivon’ny hopitaly, dia nambaran’ny Praiminisitra mazava fa Manana ny generateur isika, betsaka amin’ireo hopitaly lehbe rehetra manana milina mampiodina, ary mamoaka enton’aina. Misy koa ireo hopitaly tsy manana na tsy ampy ireny lavaka mitondra enton’aina amin’ny marary ireny, izay nitadiavana hevitra, dia ny tavoahangy lehibe asiana azy. « Efa misy orinasa mpamokatra azy ireny, saingy tsy maharaka ny filàna amin’izao fotoana ka antony hamporisihana azy ireo hamokatra bebe kokoa, ho ampy amin’ny filàn’ny marary », nanamafy ny Praiminisitra.

Naneho hevitra manokana ny tranga misy ao Mahajanga ny Praiminisitra. Nampitandrina ireo mpanely vaovao tsy marina any an-tambazotran-tserasera ny tenany. Nilazany, fa tsy fotoanan’ny fanaovana politika izao, ary nisaotra ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manao ny ainy tsy ho zavatra. Efa nampitomboina ny toeram-pandraisana ireo mararin’ny covid any an-toerana, hoy izy, ary nojerena ny fampitaovana azy ireny. Ananan’ny minisitera mpiahy hatrany ny antontanisa mirakitra ny covid-19 isan’andro, raha ny namafisiny. Raha ny antontanisa vaoray farany, tranga vaovao mahatratra 295, tamin’ireo fitiliana miisa 1 158 natao ny 29 marsa teo. Ny 229 tamin’ireo teto Analamanga, ka ny 180 teto an-dRenivohitra avokoa. Mahatratra 2 085 ireo marary mbola manaraka fitsaboana, ka ny 275 marary manana fahasarotana mafy, ny 187 eto Analamanga, ny 43 ao amin’ny HJRA, ny 67 ao amin’ny hopitaly Befelatanana, ary ny 37 eny Anosiala. Miisa sivy ireo namoy ny ainy. 105 ny sitrana farany.

 

Fermer