
PolitikaSongadim-baovao
TETIKASA TANAMASOANDRO: Hafainganina ny fanaovana tolo-bidy amin’ny fananganana trano lehibe miisa 20
Tsy maintsy hajaina hatrany ireo pitsopitsony araka ny lalànan’ny tsenam-baro-panjakana rehetra amin’ny tetikasa lehibe toa an’ny Tanamasoandro, na dia eo aza ny vina ny hamitana izany anaty fotoana fohy. Ny fanafainganana ny fanaovana ny tolo-bidy kosa anefa no azo tanterahana, toy izay tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly.
Nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly no nandraisana fanapahan-kevitra mahakasika ny fanafainganana fotoana hahafahana manao ny tolo-bidy amin’ny fananganana “immeubles” miisa 20 ao anatin’ny Tetikasa Tanamasoandro. Raha tsiahivina, anisany asa goavana mbola miandry ao anatin’ity tetikasa lehibe ity, izay Veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina, ny fananganana ireo fotodrafitrasa lehibe maro, atao hiasan’ireo sampandraharaham-panjakana sy departemanta minisiterialy isan-tsokajiny. Ankoatra ity lafiny fananganana trano lehibe na “immeubles” ity, araka izany, dia hafainganina koa ny fanaovana tolo-bidy eo amin’ny fanaovana ny “réseau d’assainissement” ao Tanamasoandro, ny fanaovana ny lalana ao Tanamasoandro ary ny fandrindrana ny firafitry ny tanàna vaovao. Neken’ny Filankevitry ny Minisitra koa ny fanatanterahana ny tsenam-barotra manokana amin’ny fanaovana ny fanadihadiana ara-tontolo iainana ao anatin’ny fotoana voafetra.
Raha tsiahivina, efa nirosoana ny fandraisana sy ny filàn’ny Fanjakana ny tany mirefy 982ha etsy Tsimahabeomby sy ny manodidina hametrahana ny tanàna vaovao Tanamasoandro, Distrikan’Arivonimamo, Faritra Itasy, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra, ny 17 Marsa lasa teo. Raha ny fanazavana, tanim-panjakana avokoa ny velarantany 747ha amin’io toerana io. Ny tany mirefy 235ha sisa kosa no hisian’ny fandaminana manokana hakan’ny Fanjakana ny tany.
Fananganana ny “Musée de l’audiovisuel”
Mbola tamin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly ihany koa no nankatoavana ny fananganana ny “auditorium” lehibe afaka handray olona hatramin’ny 1 500. Ao anatin’ity Mozea ho an’ny haino aman-jery etsy Anosy ity, hisy ny fanangonana ireo vakoka rehetra nanomboka tamin’ny nijoroan’ny RNM tany amin’ny 90 taona lasa, ary ireo tahirin-tsary sy tahirim-peo rehetra hatrizay sy ny fivoaran’ny fitaovana. Araka ny fanazavana hatrany, hisy toerana fandraisam-peo manaraka ny toetrandro ihany koa ao anatin’io toerana vao harenina etsy Anosy io.




