PolitikaSongadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY FIPARITAHAN’NY COVID-19: Miverina ny Hamehana ara-pahasalamana, tsy misy kosa, ny fihibohana
Mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara ny “Hamehana ara-pahasalamana”, araka ny Didim-panjakana laharana 2021 – 390 nivoaka ny faran’ny herinandro teo. Mifanindran-dalana amin’izany, namoaka fepetra maromaro ny Filoham-pirenena mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Isan’izany ny fanakatonana ny Faritra Analamanga, Sava ary Atsinanana. Mbola mitohy mikatona koa ny Faritra Boeny sy i Nosy Be
Araka ny efa nambara teto, ny faran’ny herinandro teo, dia sarotra ny nandray fanapahan-kevitra manoloana ny fitombon’ny isan’ireo voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus ankehitriny, eo koa ireo lavo izay tafiakatra 104 ao anatin’ny roa herinandro monja. Raha ny fepetra noraisin’ny Filoha ny sabotsy teo anefa no asian-teny, dia hita ho voalanjalanja tanteraka ny fepetra fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina sy ny fahafahan’ny vahoaka manao fitadiavana. Manaporofo izany ny tsy mbola nidirana tao anatin’ny fepetra fihibohana tanteraka, satria tsapa fa sarotra amin’ny Malagasy ny hiverina hiaina ao anatin’izany indray. Na izany aza anefa, notsindrian’ny Filoha fa miankina amin’ny fanajan’ny vahoaka ny fepetra ihany no mety hidirantsika amin’ny fihibohana na tsia.
Mikatona 15 andro ny sekoly sy ny Oniversite…
Araka izany, anisan’ny fepetra noraisin’ny Filoha ny fanakatonana mandritra ny 15 andro ireo sekoly sy ny Anjerimanontolo manerana an’I Madagasikara. Ny asa fanamarinana ny lisitry ny mpianatra misitraka ny vatsimpianarana ary ny fandoavana izany kosa dia mitohy ao anatin’ny fanajana tanteraka ireo fepetra ara-pahasalamana. Etsy ankilany, mikatona mandritra ny 15 koa ny Faritra Analamanga, Sava, ary Atsinanana. Ary tsy mbola misokatra ny Faritra Boeny sy ny any Nosy Be. Mihatra ny fepetra tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina (Couvre feu), amin’ireo Faritra voatonona ireo nanomboka omaly, manomboka amin’ny 09 ora alina ka hatramin’ny 04ora maraina. Ho fitsinjovana ireo marary rehetra kosa, ny fivarotam-panafody rehetra amin’ireo toerana dimy ireo, dia misokatra andro aman’alina mba hisorohana ny filaharambe. Nomarihin’ny Filoha fa efa nifanarahana tamin’ny holafitry ny farmasianina io fanapahan-kevitra io. Araka ny efa tapaka teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra farany teo, omena fahazoan-dalàna ireo toeram-pivarotam-panafody hivarotra avy hatrany ireo voarafitra ao anatin’ny “Protocole de traitement” ankoatra ireo fanafody ilàna “ordonnance” izay tsy maintsy omen’ny mpitsabo. “Misy ny Pejy Fesiboky mitondra ny anarana hoe Centre de traitement de Covid-19 izay ahitana mpitsabo miasa andro amin’alina mandray avy hatrany ireo marary ka ahafahana maka toromarika sy torohevitra avy hatrany. Izy ireo koa dia afaka miantso mandefa amin’ny alalan’ny message ireo ordonnance mba hamonjena ireo marary”, hoy ny fanazavany. Etsy ankilany, misy koa ny laharana an-tariby 914 hiantsoana ny BIS na ny “Brigade d’Intervention Spéciale”, hahafahana mamonjy ireo olona mararin’ny Covid-19 sy maka torohevitra ara-pahasalamana.
Fandaharanasa Covax…
Anisany fepetra fisorohana vaovao noraisin’ny Fanjakana ihany koa ny fandraisana anjara amin’ny fandaharanasa Covax, izay manana vaksiny fanefitra ny Coronavirus. Izany, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, dia tohin’ny fikaonan-doha niaraka tamin’ny Akademiam-pirenen’ny mpitsabo eto Madagasikara, mahakasika ny resaka vaksiny. Nivoitra tamin’izany ny fijerena ny vaksiny mahatohitra sy ny miaro amin’ny Coronavirus amin’ny endriny avy atsy Afrika Atsimo. Ary vaksiny roa no mahafeno ny fepetra amin’izany, antony nandraisana anjara tamin’ny fandaharanasa Covax.
Ny toeram-pilanonana sy ny toeram-pivavahana…
Ho an’ny fepetra momba asa kosa indray, nilaza ny Filoha fa mitohy aloha ny asa andavanandro ho an’ny rehetra, na ho an’ny Biraom-panjakana izany, na ho an’ireo tsy miankina. Tsy maintsy atao ao anaty fanajana feno ireo fepetra fisorohana anefa izany. Etsy ankilany, mbola afaka misokatra ireo trano fisakafoana fa ny antsasaky ny fahafahana mandray mpanjifa no miasa. Ny Bar sy ny toeram-pandihizana ary ny fanaovana karaoke kosa, dia mikatona avokoa. Ho an’ny toeram-pivavahana, miankina amin’ny Filoham-piangonana ny fanakatonana na ny fanokafana ny fiangonana na moske. Na izany aza anefa, noferan’ny Fanjakana ho tsy mihoatra ny 100 no manatrika ny fotoam-pivoriana iray raha misy izany, ary tsy maintsy manaja ireo fepetra sakana rehetra.
Mahakasika ny fitaterana…
Notsindrian’ny Filoham-pirenena ny sabotsy teo, fa tsy azo andrasana ny razana lavon’ny Covid-19, ary tanterahina ny andron’iny ihany ny fandevenana, tsy mihoatra ny olona 10 koa ny mandevina. “Marihina fa tsy azo atao ny mitondra ny razana anaty fiara mihiboka fa tokony entina amin’ny fiara azon-drivotra”, hoy ny fanazavana. Ankoatra izay, Nanana hatramin’ny omaly , ireo mpandeha tavela tany amin’ny Faritra ka te hamonjy ny toeram-ponenany, amin’ny alalan’ny fitaterana an-tanety. Manomboka anio, mikatona tanteraka ny Faritra Analamanga, Atsinanana, Sava, Boeny sy Nosy Be mandritra ny 15 andro. Ankoatra ny resaka fahasalamana dia tsy hisy ny fanomezana fahazoan-dalana manokana hivoaka na hiditra ireo Faritra mihiboka, ho an’ny resaka asa, mandritra ny 15 andro. Na izany aza anefa, fantatra fa miasa ara-dalàna ireo zotra suburbaines sy urbaines izay mifamezivezy ao anatin’ireo Faritra mihiboka ireo, izay tsy maintsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana sy ny tsy tsy fampiasana ny seza volamena. Toy izany koa, miasa ara-dalàna ireo fiara sy sambo mpitatitra entana. Eo amin’ny sidina an’habakabaka, mbola mikatona hatrany ny sidina avy ivelany ao Nosy Be. Mitohy miasa kosa ny Tsaradia amin’ireo sidina anatiny eto amintsika any amin’ireo Faritra tsy voakasiky ny fikatonana, saingy tsy maintsy manao fitiliana PCR avokoa ny mpandeha rehetra. Ny fitaterana olona an-dranomasina rehetra koa dia voarara avokoa.
Asa ho an’ny tombontsoan’ny Daholobe
Mihatra manerana ny Nosy kosa ny fanaovana asa ho an’ny tombontsoan’ny Daholobe ho an’ireo izay tsy manaja fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana. Voarara ihany koa ny famoriam-bahoaka mihoatra ny zato. Ary ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena rehetra dia tsy misy mpijery, atao an-kalamanjana.




