PolitikaSongadim-baovao
FANOVANA VOKA-PIFIDIANANA KAOMINALY TANY NOSY BE: Mamofompofona kolikoly, hanokafana fanadihadiana ny Mpitsara namoaka didy
Raha efa tany amin’ny volana desambra 2019 no nivoaka ny Didim-pitsarana namoaka ny anaran’ny lany tamin’ny Fifidianana Kaominaly tao Nosy Be, ny 30 Marsa 2021 teo, nisy indray ny didim-pitsarana nanafoana izany noho ny fangatahan’ny kandida mpifaninana iray. Tranga izay mamofompofona kolikoly tanteraka. Andrasana izay fanapahan-kevitry ny CSM, fa raha toa ka voamarina ny fisiana kolikoly, dia tokony hitarika hatramin’ny fanesorana ilay namoaka didy, tsy ho isan’ny mpitsara intsony.
Ny 30 Marsa 2021 teo no nivoaka ny didim-pitsarana avy amin’ny Filankevi-panjakana (Conseil d’Etat) momba ny fangatahan’i Dahail Tiandrazana, izay kandida ho Ben’ny tanàna tany Nosy Be, fandravana ny didin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana tany Antsiranana, ny 26 desambra 2019, izay namoaka ny voka-pifidianana ben’ny tanànan’i Nosy be. Araka izany, nofoanan’io didim-pitsarana tamin’ny 30 Marsa teo io ny Didin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana tany Antsiranana, nivoaka ny 26 Desambra 2019. Arak’io vokatra ofisialy izay nivoaka ny volana desambra 2019 io, mitotaly 5 118/ 5225 no vato azon’ny Kandida Vita Gilbert, izay lany, ary Ben’ny Tanàna ankehitriny. Tsara marihana anefa fa 507 ihany no vato azon’ingahy Dahail Tiandrazana, izay nanao ny fangatahana fanafoanana ny voka-pifidianana. Izany hoe, nanodidina ny 5% ny salanisa azony.
Vato maty sy vato fotsy avokoa ny vato miisa 8 977 tamin’ireo 10 250 ?
Mampametra-panontaniana ny maro ihany ny trangan-javatra tahaka izao, indrindra ho an’ireo Vahoaka maro be izay nandany ny Ben’ny tanàna ankehitriny. Araka ny fantatra tokoa mantsy dia voalaza fa vato maty sy vato fotsy avokoa ny vato miisa 8 977 tamin’ireo 10 250 tonga nifidy. Izany hoe, 1 233 sisa no vato manan-kery. Tranga izay tsy mitombina velively raha ny lojikan’ny fifidianana misy rehetra manerana an’izao tontolo izao. Tsikaritra ao anatin’izany fa misy tsy mazavazava tao anatin’ny fandraisana ilay didim-pitsarana. Ary na tamin’ny fomba nandraisana ny didy na ny votoatin’ny didy dia mampiahiahy avokoa. Ireo rehetra ireo no antony hilazana fa mamofompofona kolikoly ity raharaha ity.
Araka ny fanadihadiana hatrany dia fantatra fa taty amin’ny 15 mars 2021 vao nanao fangatahana fanampiny na “requête additive” ny mpitory, kanefa ny fifidianana efa tamin’ny 2019. Ny mahagaga anefa dia noraisin’ny Filankevi-panjakana ilay fangatahana fanampiny, ary ny 30 mars 2021 ihany dia nivoaka ny didim-pitsarana. Eo anatrehan’izany, fantatra izao fa efa nanokafana fanadihadiana ny mpitsara nandray ny didy. Andrasana koa ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara raha toa ka voamarina ny trangana Kolikoly niseho.
Ny Fanoratana.




