Manokana Covid-19
VALANARETINA COVID-19: 65 ny tranga vaovao, 980 ireo mbola marary tsaboina
Araka ny antontanisa nomen’ny CCO, omaly, dia 65 ireo tranga vaovao hita tamin’ny fitiliana farany tao anatin’ny 24ora, miisa 980 kosa ireo marary mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana. Mahavelom-bolo ny antontanisa ankehitriny, saingy mbola mitohy hatrany ny fitiliana ireo olona manana ahiahy eo amin’ny toe-pahasalamany vokatr’ity valanaretina ity…
Mihena ny tarehimarika! Nanaitra ny rehetra ny nihaino ny antontanisa navoakan’ny CCO omaly antoandro. Tamin’ireo fitiliana natao miisa 399 tao anatin’ny 24ora farany, tsy nisy afa-tsy 65 ireo olona nahitana tsimokaretina coronavirus. Manaraka izany, mihena isan’andro ireo marary mbola manaraka fitsaboana, miisa 980 izy ireo ankehitriny, izany hoe efa latsaky ny 1 000. Tsy nisy koa ny nodimandry tamin’io antontanisa farany io, ary mitombo hatrany kosa, ireo efa nahafeno fepetra fahasitranana. Tsikaritra koa, fa vitsy ireo faritra nahitana tsimokaretina tamin’io fitiliana farany io, na tamin’ny PCR izany, na tamin’ny GenExpert. Tamina faritra miisa 13 nanao fitiliana, 11 no nahitana tsimokaretina. Mitohy hatrany, anefa, io fitiliana io, ka tamin’ny fitiliana mahatratra 399 no nahitana ireo tranga vaovao miisa 65. Ny IPM no nanao ny fitiliana PCR miisa 151, izay tsy nahitana tranga vaovao afa-tsy 20 isa. Ny LA2M indray koa nanao fitiliana miisa 113, tsy nahita tranga na iray aza. Ny an’ny GenExpert moa nanao fitiliana miisa 45. Anisan’ireo faritra tsy nahitana tranga vaovao ny ao Analanjirofo sy Anôsy. Araka izany, efa maherin’ny 90% ireo olona efa sitrana eto amintsika amin’izao fotoana, amin’ireo 14 074 efa nahitana ny coronavirus. Mahatratra 12 921 izy ireo raha atotaly, rehefa niampy 154 vaovao indray. Nomarihan’ny Profesora mpitondra tenin’ny CCO, fa afaka manatona ireny toeram-pitiliana ireny hatrany, ireo olona manana ahiahy eo amin’ny toe-batany, isan’izany ireo maneho soritraretin’ny covid.
Tarehimarika omaly
Ankoatra ireo tranga vaovao sy ireo efa sitrana, nihena 89 ireo mbola mitondra ny tsimokaretina voalaza ireo, izay nialan’ny sitrana. Tsy nisy kosa ny lavon’ny valanaretina, izay mijanona ho 173. Tsy nisy ny marary mafy tao anatin’ny 24ora farany io, izay nijanona ho 89. Ny fitambaran’ny fitiliana PCR efa vita dia mitotaly 53 542, raha 4 818 ny GenExpert.
Tranga vaovao, sitrana sy marary mafy…
Tamin’ireo tranga vaovao miisa 65, teto Analamanga ny 18 isa, teto koa ny sitrana miisa 109. Vakinankaratra tsy nisy tranga vaovao, ary nisy sitrana miisa efatra. Matsiatra Ambony nisy tranga vaovao miisa fito, tsy nisy ny sitrana. Vatovavy Fitovinany nisy tranga vaovao tao Manakara, miisa enina, tsy nisy ny sitrana. Tao Ihorombe Ihosy nisy tranga vaovao miisa roa, tsy nisy ny sitrana . tao Atsinanana nisy tranga vaovao iray, tao Toamasina, nisy olona dimy sitrana. Alaotra Mangoro nisy tranga vaovao miisa 10, ka ny enina tao Ambatondrazaka, ny efatra tany Amparafaravola, nisy sitrana miisa 11 koa tao Moramanga. Boeny nahitana tranga telo, nisy sitrana miisa 21 hafa. Sofia nisy tranga miisa dimy, ka ny efatra tao Antsohihy, iray tao Port-Berger, tsy nisy ny sitrana. tany Betsiboka tsy nisy tranga vaovao, saingy nisy sitrana iray. Tany Sava nisy tranga telo, tao Sambava, tsy nisy ny sitrana. Tany Diana nisy tranga miisa sivy, ka ny enina tany Antsiranana voalohany, ny roa tany Antsiranana faharoa, ary iray tao Ambilobe. Atsimo Andrefana nisy tranga iray, ary sitrana telo. Ho an’ireo toerana ahitana marary mafy raisina an-tanana, dia ny 30 ao Befelatanana, ny sivy etsy amin’ny hopitaly HJRA, telo eny Anosiala, ny fito etsy amin’ny CTC Mahamasina, ny dimy etsy Andohatapenaka, ary iray ao amin’ny Homi. Any Antsirabe misy efatra, Fianarantsoa misy 19, Alaotra mangoro ny iray, Toliara ny efatra, ary Boeny ny dimy.