Songadim-baovaoSosialy

FIARAHAMIASA AMIN’NY TSY MIANKINA: Hanamafy ny famatsiana « oxygène » eny amin’ny Hopitalim-panjakana

Nitondra fanazavana mahakasika ny tsy fahampian’ny Oxygène  eny anivon’ny Hopitaly ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, omaly tao amin’ny Haino aman-jerim-panjakana. Fotoana izay nilazany fa efa tonga eto Antananarivo ny Oxygène avy any Toamasina. Izao no tanteraka, hoy izy, dia vokatry ny fiarahamiasa teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny orinasa Ambatovy, ny Air Liquide Madagascar ary ny Gaz Industrielle de Madagascar. Ity farany izay hitsinjara ny  Oxygène amin’ny tavoahangy ary afaka hampiasaina avy hatrany eny anivon’ireo Hopitaly aorian’izay. Raha nahavokatra 350 tavoahangy isika teo aloha, dia hahavokatra 425 ankehitriny, aorian’izao fiarahamiasa izao.

Tetsy ankilany, nanao antso ny tsy tokony hitavozavozana amin’ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’izao areti-mandringana izao ny Minisitra, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny TVM. Tamin’izany no nanambarany fa « raha vao mahatsiaro hafahafa ny vatana, eny fa na dia seriserena fotsiny aza, dia tokony hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany. » Nohamafisiny ihany koa fa efa voaray avokoa ireo fitarainana teny amin’ny tambazotra serasera ary misokatra ho an’ny rehetra ny Pejy Facebook ofisialin’ny minisitera sy ny pejy DGFS hamaly avy hatrany ny fanontaniana manitikitika.

Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa miisa 210 ireo kabinetra medikaly tsy miankina no manome tanàna ny Fanjakana mitsabo ny covid-19 eto Antananarivo, izay hijerena vahaolana ny ahafan’izy ireo hiasa 24 ora amin’ny 24.

271 ireo tranga maneho fahasarotana

Araka ny antontanisa mahakasika ny Covid-19 nivoaka farany, dia tafiakatra 2 595 ireo olona mbola manaraka fitsaboana ankehitriny, ka ny 271 amin’ireo dia maneho ilay tranga misy fahasarotana avokoa. Olona miisa 165 ihany koa no voamarina fa mitondra ny coronavirus eto Madagasikara tamin’ny fitiliana 528 natao, ka ny 118  tamin’ireo dia avy eto Analamanga avokoa, araka ny tatitra hatrany. Nisy ihany koa olona telo namoy ny ainy, ary olona 111 no fantatra fa sitrana soa aman-tsara rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo. Notsiahivin’ny Minisitra tomponandraikitra, omaly , fa misy karazany roa ny coronavirus eto Madagsaikara ankehitriny dia ilay covid-19 efa nisy hatramin’izay sy ilay amin’ny endriny vaovao « variant sud-africain ». Ity farany izay fantatra fa mifindra haingana be ary manepotra ny marary ao anaty fotoana fohy

Sata (mpianatra asa)

Fermer