KolontsainaSongadim-baovao
FETIN’NY PASKA : Analiny ireo nanaraka fampisehoana nivantana tamin’ny tambazotra sosialy
Noho ny fepetra izay navoakan’ny Fitondram-panjakana amin’ny tsy fahafahana manao fampisehoana amin’ny Faritra maro eto Madagasikara, eo koa ny nidirantsika ao anatin’ny Hamehana ara-pahasalamana indray, hevi-baovao nentin’ny ekipan’ny Star Tour nampifaliana ny Malagasy ny fanatanterahana fampisehoana nivantana tamin’ny Facebook, nandritra ny fetin’ny Paska. Araka ny fanazavana, tratra ny tanjona napetraky ny ekipan’ny Star Tour tamin’ny fanentanana ny olona hijanona any an-trano ary hiaina mivantana ny ambiansy nahazatra ny andron’ny alahady 04 aprily sy ny alatsinainy 05 aprily lasa teo. « Niavaka ny fankalazana ny Paka tamin’ity taona ity satria ny mpankafy indray no nampiantrano ny STAR TOUR Paka. Ambiansy telo samihafa, mpikirakira Facebook mihoatran’ny 95 000 voakitika ary olona 14 nahazo loka no azo hamehezana ireo fampisehoana natolotra”, hoy ny seraseran’ny Orinasa Star.
Pejy Facebook miisa telo no nifandimby nandefa mivantana ireo fampisehoana, araka ny fanazavana. Samoela sy Tence Mena no nisantatra ny seho mivantana teo amin’ny pejin’ny THB Madagascar Officiel ny harivan’ny alahady 04 aprily izay narahin’olona mihoatran’ny 20 000. Fanatanjahantena kosa no nanombohana ny andron’ny alatsinainy 05 aprily niaraka tamin’ny Rindra Madafit sy ny ekipany teo amin’ny pejin’ny Eau Vive Malagasy. Nofaranana tamin’ny rotsirotsin’ny tarika Reko Fy & his Band sy ny feon’i Johane ny hariva teo amin’ny pejin’ny CHILL Madagascar. Nisy hatrany koa ny fanentanana nataon’i Andry Barhone sy ireo lalao samihafa.
“Niaro-tena no sady nisitraka fampisehoana miavaka ireo nanaraka ny STAR TOUR tamin’ny Facebook. Tsy nanakana ny fizarana hafaliana tamin’ny fetin’ny Paka ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana. Fampisehoana niavaka niaraha-nizara, averina tsy ho ela ! », hoy hatrany ny fanazavana.




