Songadim-baovaoSosialy

FANDRAISANA AN-TANANA NY COVID-19: Hisy ny fiarahamiasa amina hotely, hatao ny antso avo amin’ny Dokotera sy paramedy tsara sitrapo

Araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly 07 Aprily 2021, manao antso avo ny Fitondram-panjakana ho an’ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy tsara sitrapo izay vonona hanolo-tanana amin’ny fitsaboana ireo mararin’ny aretina covid-19 any amin’ny hopitaly sy ny CTC rehetra manerana ny Nosy. Afaka manatona ny ministeran’ny fahasalamana izy ireo manomboka anio ao amin’ny kabinetran’ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fanaovana ny taratasy sy ny fifanarahampiaraha-miasa amin’izany. Ankoatra izay, nivoitra nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly koa, fa hametraka ireo hotely/hopitaly isika hanampiana ny toerana handraisana ireo mararin’ny Covid-19. Hametrahana mpitsabo miisa 02, mpitsabo mpanampy miisa 8, sy fanafody fitsaboana momba ny covid ary “concentrateurs d’oxygène” ireo toerana ireo. Handoavam-bola kosa io toeram-pandraisana marary vaovao io, fa ny Fanjakana no hamaritra ny sandan’izany miaraka amin’ny tompon’ny hotely fandraisam-bahiny.

Sazina izay tomponandraikitra mivarotra fanafody

Mbola ny Filankevitry ny Minisitra omaly ihany koa no nilaza fa hisy ny lamina manokana handrindrana ny fitantanana ireo fanafody fitsaboana ny Coronavirus ka hisy ny fanaraha-maso izany eny anivon’ny CTC, ny Hopitaly ary ireo CSB. Tsara marihana fa tsy tokony hividy ny fanafody natokana hitsaboana amin’ny covid-19 ireo marary eny anivon’ireo toeram-pitsaboana ara-panjakana toy ny azythromicine, magnésium, vitamine C, lovenox, dexamethasone. Iharan’ny fanasaziana goavana ireo izay tompon’andraikitra mivarotra izany. Ny fanafody fitsaboana aretina mitaiza sy ireo aretina hafa kosa dia ny marary ihany no miantoka izany.

Fermer