PolitikaSongadim-baovao

FIRENENA ROSIANA: Manamafy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara

Anisan’ny fiaraha-miasa nanamarika ny taona 2020, teo amin’ny Firenena Rosiana sy i Madagasikara ny fampisitrahana tohana ara-tsakafo mpianatra miisa 200 000 tany anivon’ireo sekoly ambaratonga fototra miisa 800 tany amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara, nahitana an’Androy, Anosy, ary Atsimo Andrefana. Ny Firenena Rosiana no tompo-marika tamin’izany, izay niara-miasa akaiky tamin’ny ny Fandaharanasa misahana ny sakafo maneran-tany (PAM). Sakafo manodidina ny 502 taonina, ahitana karazana legioma 382 taonina sy menaka 120 taonina mitetim-bidy iray tapitrisa dôlara no natolotry ny Masoivoho Rosiana, tamin’io datin’ny 09 Oktobra 2020 io.

Ampahany tamin’ireo karazana fiarahamiasa efa nisy teo amin’ny Firenena roa tonta io. Antenaina ny hitohizan’izany amin’izao fahatongavan’ny Masoivoho vaovaon’I Rosia hiasa sy honina eto amintsika izao. Omaly, nandray ny taratasy manendry ny masoivoho vaovaon’i Rosia hiasa eto Madagasikara, SEM. Andreev Andrey Vladimirovich, ny Filoham-pirenena tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Noresahana nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny fiaraha-miasa efa misy eo amin’ny firenena rosiana sy Madagasikara sy ny hanatsarana izany. I Rosia rahateo dia vonona ny hanamafy ny fifandraisana amin’ny firenena Malagasy indrindra eo amin’ny sehatry ny angovo, ny fahasalamana ary koa eo amin’ny ny fifandraisana ara-barotra sy ara-toe-karena. Tsiahivina fa efa niompanan’ny fiarahamiasa teo amin’ny Rosia sy Madagasikara ny fampiofanana mpiasam-panjakana sy Miaramila. Misy, noho izany, ny fikasana ny hamerenana io fiarahamiasa io. Ankoatra izay, i Rosia dia anisan’ireo Firenena efa manana Vaksiny fanefitra ny Covid-19, dia ny Spoutnik V. Mazava ho azy, anisany voaresaky ny roa tonta ny mahakasika ny resaka vaksiny.

Fermer