PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA KAOMINALY TANY NOSY BE: Naato ny fampiharana ny didy navoakan’ny Filankevi-panjakana
Isan’ny raharaha nitana ny sain’ny maro tato anatin’ny andro vitsy izay ny mahakasika ny fanesorana tamin’ny asany ny Ben’ny tanànan’I Nosy Be am-perinasa, taorian’ny Didy navoakan’ny Filankevi-panjakana, ny 30 Marsa lasa teo. Omaly, fantatra fa naaton’ny Minisitry ny Fitsarana ny fampiharana ity didim-pitsarana ity, ho fitandroana ny filaminam-bahoaka.
Naaton’ny minisitry ny Fitsarana, Johnny Andriamahefarivo, ny didy navoakan’ny Filankevim-panjakana nanaisotra ny Ben’ny tanàna am-perinasa tamin’ny asany. Araka ny loharanom-baovao dia omaly no saika nandray ny toerany ny Ben’ny tanàna vaovao nolazain’ny Filankevi-panjakana. Niteraka korontana sy savorovoro tany an-toerana anefa izany. Araka ny loharanom-baovao azo omaly, nanao hetsika ny mpiasan’ny Kaominina Ambonivohitra Nosy Be, ka nitokona tsy nandray ny asa fanaony andavan’andro. « Ny mpiasan’ny fiadidianan’ny kaominina, tsy mila olona tsy voafidy », io no sora-baventy nataon’izy ireo tamin’izany. Mikatona avokoa ny varavarana fidirana amin’ny Biraon’ny kaominina tao Nosy Be. Izany no anisan’ny anton’ny fanapahan-kevitra, araka ny fantatra.
Mijanona ho Ben’ny tanàna…
Tsara marihina fa tsy foana akory ilay didy navoakan’ny Filankevi-panjakana fa ny fampiharana azy no mihantona aloha. Izany hoe, nanao “saisine”, na nitondra ny raharaha teo anatrehan’ny Minisitry ny Fitsarana ny ben’ny tanàna Vita Gilbert. Ny Minisitry ny Fitsarana indray avy eo no nangataka tamin’ny Minisitry ny Atitany mba hampiato ny fampiharana ny didy aloha, izay ahina hiteraka korontana eo anatrehan’ny filaminam-bahoaka. Mijanona ho Ben’ny tanàna aloha, araka izany, ingahy Vita Gilbert, mandrampandinihan’ny Filankevi-panjakana indray ny fampiakarana izay nisy, sy ny fizotry ny raharaha amin’ny ankapobeny. Araka ny fantatra mantsy dia mbola nisy fampiakarana nataon’ity ben’ny tanàna am-perinasa ity taorian’ny didy nivoaka ny 30 Marsa lasa teo.
Fifidianana efa tamin’ny Desambra 2019
Raha tsiahivina, ny 30 Marsa 2021 teo no nivoaka ny didim-pitsarana avy amin’ny Filankevi-panjakana (Conseil d’Etat) momba ny fangatahan’i Dahail Tiandrazana, izay kandida ho Ben’ny tanàna tany Nosy Be, fandravana ny didin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana tany Antsiranana, ny 26 desambra 2019, izay namoaka ny voka-pifidianana ben’ny tanànan’i Nosy be. Araka izany, nofoanan’io didim-pitsarana tamin’ny 30 Marsa teo io ny Didin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana tany Antsiranana, nivoaka ny 26 Desambra 2019. Teo no nisian’ny fifanolanana, satria taty amin’ny 15 mars 2021 vao nanao fangatahana fanampiny na “requête additive” ny mpitory, kanefa ny fifidianana efa tamin’ny 2019. Ny mahagaga anefa dia noraisin’ny Filankevi-panjakana ilay fangatahana fanampiny, ary ny 30 mars 2021 ihany dia nivoaka ny didim-pitsarana.



