PolitikaSongadim-baovao
FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA : Nandray ny asany ireo mpikambana vaovao
Omaly, teo anatrehan’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ary ireo Filohana Andrimpanjakana isan-tsokajiny no nanatanterahan’ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fianianana izay mametraka azy ireo ara-pomba ofisialy eo amin’ny toerany. Araka ny lalàna dia manana valo andro izy ireo hifidianana izay ho Filohan'ity Andrimpanjakana ity.
Taorian’ny didim-panjakana laharana faha 2021- 384, nanendren’ny Filoham-pirenena ireo Mpikambana telo anjarany ao amin’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana (HCC), izay mifanaraka rahateo amin’izay voafaritry ny Lalàmpanorenana andininy faha 114 andalana faharoa, tontosa omaly ny lanonana fametrahana ara-pomba ofisialy ireo mpikambana vaovaon’ny HCC , niaraka tamin’ny fanaovana ny fianianana. Rakotobe Andriamarojaona Vololoniriana Christiane, Razadrainiarison teraka Rahelimanantsoa Rondro Lucette, Mbalo Ranaivo Fidèle, Rasolo Nandrasana Georges Merlin, Rakotoniaina teraka Raverohanitrambolatianiony Antonia, Ranaivoson Rojoniaina, dRakotoarisoa Florent ary Ratovonelinjafy teraka Razanoarisoa Germaine Bakoly, ireo no nahatontosa ny fianianana. Tsy tonga nanatontosa izany kosa i Noelson William, izay solontena avy tamin’ny Antenimierampirenena. Araka ny andininy faha-114 ao amin’ny Lalàmpanorenana, dia fito taona tsy azo havaozina ny fepotoam-piasan’ireo mpikambana ireo, ary ny “Ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia fidin’ny mpikambana
amin’ireo mpikambana ao amin’io Fitsarana io”. Araka ny lalàna dia manana valo andro izy ireo hifidianana izay ho Filohan’ny HCC.
Antoky ny filaminana ny fanajana ny Lalàmpanorenana
Sambany tamin’ny tantara no nisy mpikambana vaovao noraisin’ny mpikambana teo aloha. Taratry ny fifandimbiasam-pahefana demokratika izany, hoy Rakotoarisoa Florent, izay zokiny indrindra amin’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny HCC, raha nandray fitenenana. Antoky ny filaminana ny fitandroana ny fahamarinana sy ny fanajana ny lalàmpanorenana ary ny lalàna velona, hoy izy.
Asa sahanin’ny HCC
Araka ny andininy faha-116 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mitsara raha mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ireo fifanekena, lalàna, hitsivolana, ary ireo didy amam-pitsipika mahaleotena. Ankoatra izay, ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana koa no mandamina ny fifanolanana ara-pahefana eo amin’ny Andrim-panjakana roa na maromaro, na eo amin’ny Fanjakana sy ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana iray na maromaro na eo amin’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana roa na maromaro. Etsy ankilany, ity rafitra ity no mitsara raha mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny fanapahana sy didy amam-pitsipika nankatoavin’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana, ary mitsara ny raharaha mikasika ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona. Tafiditra ao anaty asan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana koa ny manambara ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, solombavambahoaka ary ny fakana ny hevitra amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka.




