Songadim-baovaoSosialy
FITATERAM-BAHOAKA TSARA KALITAO: Hapetraka eto Antananarivo Renivohitra ny “Bus Class”
Tafiditra tanteraka tao anatin’ny vinan’ny Ben’ny tanàna ankehitriny ny hametraka ny fitateram-bahoaka tsara kalitao sy manaraka ny fenitra tokony ho izy eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Araka izany, nandritra ny dinika maromaro niarahana tamin’ny komity stratejika eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, nahitana ny avy eo anivon’ny UCTU sy ny FMA no nipoiran’ny “Bus Class”, izay mifanojo amin’ny vinan’ny ben’ny tanàna.
Notsiahivin’ny Talen’ny Fitaterana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), kaomisera Rafenoarison Bemana Vigor, fa manodidina ny 4 200 eo ny Bus mihodinkodina eto amin’izao fotoana, izay natao ho an’ny sarambabembahoaka. Tsy hafa akory fa niainga tamin’ireo Bus efa misy ireo ihany no teraka ny hevitry ny Komity stratejika ny hanao ny “Bus Class”. Ity farany izay fiara fitateram-bahoaka manaraka ny fenitra iraisampirenena, tsy be olona ao anatiny, amin’ny saran-dalana zakan’ny vahoaka. “Tsy mampitombo ny isan’ny bus mihodina eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ity tetikasa ity, fa avy amin’ireo licence efa misy ihany no hamoahana ny Bus Class. Izany hoe, manao fanovana fitaovana ireo koperativa hahafahana mivadika mankany amin’ny Bus Class”, hoy ny fanazavana.
1 500 Ariary ny saran-dalana
Miloko manga sy mavo, ahitana ny sary famantarana ny CUA, sy ny soratra Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Buss Class. Raha ny fanazavana, hisy amin’ireo bus class no hanana toerana 15, mety hisy hanana toerana 18, na toerana 22, arakaraka ny halehiben’ny fiara. Ny tsy maintsy arahin’ny “Bus Class” kosa dia tsy fametrahana olona mihoatra ny telo isaky “Banquette”, roa amin’ny ilany dia iray amin’ny ilany. Mety ho tonga hatrany amin’ny 4 isaky ny Banquette io arakaraky ny angezan’ny fiara, araka ny fanazavana hatrany. Tanjona ny hifanarahany tsara ny fenitra takina amin’ny fiara fitateram-bahoaka, indrindra amin’izao ady amin’ny Covid-19 izao. “Misy wifi, misy fahitalavitra, misy GPS, ary ny receveur dia manana lobaka manokana, fotsy ambony dia mainty ambany. Ary koa, tapakila manokana no ampiasain’ny receveur”, hoy hatrany ny fanazavana.
Voafetra ny “arrêt” azo ijanonan’ny Bus Class, fa tsy mitovy amin’ny bus mahazatra. Tanjona amin’izany ny hisian’ny filaminana kokoa, sy ny “confort”, mba hifanaraka tsara amin’ny sarany izay ho 1 500ar. Araka ny didim-pitondrana laharana 192/CUA 2021, ny fitsirihana sy ny fanarahamaso ny Buss Class dia efa mandalo komity manokana, aorian’izay dia tsy tokony hisy fanelingelenana eny an-dalana.



