Trangam-piaraha-monina
Famonoana zandary : Jiolahy efatra voarohirohy niampy zandary roa naiditra am-ponja
Nidoboka am-ponja ny zandary roa lahy niampy ireo jiolahy miisa efatra, taorian’ny fiakarana fampanoavana tao Tolagnaro, ny afakomaly lasa teo. Antony nahatonga ireo zandary tafiditra tamin’izao raharha izao ny tsy fandraisany andraikitra manoloana ny zava-nitranga tamin’io alahady 14 marsa io…

Naiditra am-ponja vonjimaika ireo zandary roa noho ny tsy fandraisana andraikitra sy ireo jiolahy efatra voarohirohy namono ny « chef de poste ». Nisy jiolahy telo lahy nitondra basim-barona nitifitra ny Gphc Fenomanjanto Cyril, lehiben’ny zana-tobim-paritra ao Marotsiraka, raha izy naka rivotra sy nipetraka ambony seza teo am-baravaran’ny trano fonenany anatin’ny Toby tao Marotsiraka. Voatifitra teo amin’ny fony izy ka maty tsy tra-drano, avy eo niditra tao an-tranony ireo olon-dratsy, naka vola 12.000.000 Ar sy basy roa, ny alahady 14 marsa 2021, tamin’ny 8 ora alina.
Ny lefiny moa dia nifanila bodirindrina taminy ary naheno sy nahita ireo zava-nitranga fa dia nandositra noho ny tahotra ka tsy namonjy akory na dia nandeha tamin’ny birao naka basy sy hanenjika ireo olon-dratsy aza. Toraka izany koa, ny mpiambina birao « Platon » raha naheno ny tranga nisy, dia tsy nivoaka, nefa dia nisy basy tany aminy. Nanomboka teo, nisokatra ny fanadihadiana sy fidinana ifotony, mba hisamborana ireo nahavanon-doza sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Vokany, olona efatra no tratra aloha hatreto, izay nampiantrano ireo olon-dratsy telo lahy, ary natolotra ny fampanoavana tao Tolagnaro, afakomaly 7 aprily 2021, niaraka tamin’ireo zandary roa, izay tsy nandray andraikitra ary nahasahy nijery fotsiny ny namany novonoin’ny olon-dratsy.
Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona efatra sy zandary roa. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo anisan’ny nahavanon-doza hatramin’izao. Anterina fa ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny loza mitranga, ny tsy fanoinana ny antso vonjy aina, ny tsy famonjena ara-potoana olona tra-doza dia voafaritra sy mahavoasazy araky ny fehezan-dalàna famaizana manan-kery.




