Songadim-baovaoToekarena

TAONA 2020: Nitentina 1 880,43 miliara ariary ireo harena an-kibon’ny tany voaondrana

Tratra ny tanjona ho an’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny loharanon-karena stratejika raha ho an’ny taona 2020 manokana no hanaovana jery todika. Vato sarobidy isan-karazany milanja hatrany amin’ny 588.157,42 taonina no naondrantsika tamin’ny taon-dasa, izay nitentina 1 880,43 miliara ariary. Notsindrian’ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra fa mbola mipetraka amin’ny maha andry iankinan’ny fampandrosoana azy ny tontolon’ny Harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara.

Ny 90%-n’ny tanjona napetraka ho an’ny taona 2020 no tratra ho an’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena stratejika, na dia teo aza ny fisian’ny valanaretina Covid-19 izay tsy nahafaha-niala. Ho antsika teto Madagasikara, nahatratra 588.157,42 taonina ireo vato sarobidy naondrana tany ivelany tamin’ny taon-dasa. Tafiditra ao anatin’izany ny Volamena, « pierres fines », « pierres industrielles », « ilménite », « nickel sy cobalt » sy ny sisa hafa koa. Ny fitambaran’ireo fanondranana rehetra ireo izay mitentina hatrany amin’ny 1 880,43 miliara ariary. Tsiahivina fa taty amin’ny volana Septambra 2020 vao nisy ny fampiatoana anaty fotoana voafetra ny fanondranana volamena nankany ivelany, izay mbola mitohy hatramin’izao. Fepetra izay noraisina taorian’ireo karazana fanondranana an-tsokosoko nanao sesilany niainga avy eto Madagasikara. Nifanindran-dalana tamin’izany koa ny nametrahana ny tahirim-bolamena teo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Ity farany izay efa nahatahiry volamena 177 kg hatramin’ny faran’ny taona 2020.

12,32 Miliara Ariary ny vola niditra tamin’ny CTD

Tsy araka ny neritreretana azy fa nampidi-bola araka ny tokony ho izy ny sehatry ny Harena an-kibon’ny tany ny taona 2020, raha ny tatitry ny Minisitera hatrany. 57,12 miliara Ariary, io no sandan’ny tamberim-bidy sy ny ristorna voarakitra tamin’iny taona 2020 iny. Araka izany, nandray anjara hatrany amin’ny 4,86% teo amin’ny fampiakarana ny harin-karena faoben’ny taona 2019 ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika, raha toa ka 4,7% no naminavinana izany ny taona 2019. Fantatra ihany koa fa tafiakatra 12,32 Miliara Ariary ny vola niditra tamin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (CTD) ny taona 2020, avy amin’ity sehatra ity. Marihana fa efa andalam-pamarana ny pitsopitsony araka ny lalàna amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny tany ny Minisitera ankehitriny.

« Unités Régionales des Polices des Mines » miisa roa

Teo amin’ny lafiny fitantanana, vita ny taona 2020, ny fametrahana Birao fitantanana ny harena an-kibon’ny tany tamin’ny distrika miisa dimy, dia i Miandrivazo, Tsiroanomandidy, Mananjary, Vohémar, Antsohihy. Teo koa ny fananganana    ny « Unités Régionales des Polices des Mines » miisa roa, tao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Betsiboka. Ary ny fametrahana ny rantsamangaikan’ny ANOR miisa telo, tany Ambilobe, Maevatanana ary Miandrivazo. Asa goavana tontosa ny taona 2020 koa ny fametrahana ny toerana hahafahana manodina ireo vato sarobidy mialohan’ny hivarotana ny vokatra, izay napetraka any Antsirabe, dia ny « Atelier Communautaire de Lapidairerie ». Eo koa ny ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana. Raha tamin’ny lafiny loharanon-karena stratejika kosa indray, nanamarika ny taona 2020 ny fanombohana ny fananganana ny Politikam-pirenena momba ny solika.

Fermer