Songadim-baovaoSosialy

FIATREHANA NY CORONAVIRUS: Nandray asa nanomboka omaly ireo Dokotera sy Paramedy noraisin’ny Fanjakana

Tsy niandry ela fa omaly ihany dia nandray ny asany avy hatrany, teny anivon’ireo toeram-pitsaboana  samihafa mandray an-tanana ny Covid-19, ireo Dokotera sy Paramedy tsara sitrapo namaly ny antson’ny Fitondram-panjakana. Tsy nangatak’andro fa taorian’ny fihaonan’ireto andiany voalohany ireto tamin’ny Minisitra tomponandraikitra andro vitsy lasa izay, niroso tamin’ny fanaparitahana azy ireo manerana ireo toeram-pitsaboana ny Minisitera. Mbola notsindrian’ny avy eo anivon’ny Minisitera fa ireo mpiasan’ny fahasalamana izay marefo na manana aretina mitaiza dia tsy afaka manao ny asa fandraisana an-tanana ny mararin’ny Covid-19. Araka  ny nambaran’ny Minisitry ny Fahasalambahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, fa mandray karama fototra mitovy amin’ny mpiasam-panjakana rehetra izy ireo, ary mahazo ihany koa ilay tambin-karama manokana amin’ny fiatrehana ny Covid-19. Ny Minisitra izay nanamafy fa tsy mitsahatra mitady vahaolana hahafahana mifehy sy manavotra ny ain’ny vahoaka Malagasy, eo anatrehan’ity areti-mandringana ity, ny Fitondram-panjakana.

Hikarakara ny marary

Manoloana ny fipoahana tampoka amin’ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina, sy ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary izay mitombo isa isan’ora. Fantatra ankehitriny fa antsoina hanatevin-daharana amin’ny ady ihany koa ireo rehetra tsara sitra-po manana fahaiza-manao sy traikefa eo amin’ny fanadiovana sy fikarakarana marary, na ilay antsoina ihany koa hoe “Personnel d’appui”. Ireto farany izay hisehatra amin’ny fibatana ny marary, fanadiovana ny marary ary ny fikarakarana maro isankarazany eny anivon’ireny ny toeram-pitsaboana ireny. Hisitraka ny karama sy tambin-karama manokana toa an’ireo rehetra miantsehatra mivantana sy mitakosona amin’ireo mararin’ny covid-19 ihany koa izy ireo, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka. Nohamafisiny fa efa nisokatra omaly tetsy Ambohidahy, izay misy ny foiben’ny Minisitera miahy ny fahasalamana, ny fandraisana ny taratasy fangatahana ary mbola hitohy izany, araka ny fanazavany hatrany. Nambaran’ny Minisitra ihany koa fa anio no hanomboka ny fanivanana azy ireo araka ny fahaiza-manaony sy ny traikefa hananany avy, mialohan’ny hanaparitahana azy ireo manerana ireo toeram-pitsaboana mitsabo ny Covid-19. Ary notsipihiny mazava ny resaka diploma izay tsy handeferana ny fanaovana hosoka fa ho faizina araka ny lalàna velona.

Sata (mpianatra asa) sy LR.

Fermer