Songadim-baovaoSosialy

FIHANAKY NY COVID-19: Teto Antananarivo Renivohitra avokoa ny 253 tamin’ireo tranga vaovao 478

Voaporofon’ny antontanisa nivoaka omaly fa eto Antananarivo Renivohitra no foiben’ny valanaretina Covid-19 eto amintsika ankehitriny. 478 ireo tranga voamarina nanerana ny Nosy, 369 ireo tranga vaovao teto Analamanga, ary ny 253 tamin’ireo dia teto Antananarivo Renivohitra avokoa. Hamafisina hatrany, araka izany, ny tokony hanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra.

Nampiavaka ny tatitry ny antontanisa momba ny Covid-19 omaly ny nanomezana ny antsipirian’ny tranga voamarina tato anatin’ny Faritra Analamanga. Araka ny tatitra, tamin’ireo tranga vaovao niisa 478 nanerana ny Nosy, teto Analamanga avokoa ny 369 tamin’ireo, ary ny nanaitra ny maro dia ny nahitana fa ny 253 tamin’ireo tranga voamarina dia tato anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra avokoa. Tarehimarika izay mahatonga saina sy tokony hampivarahontsana ny mponin’Antananarivo satria ao anatin’ny iray andro no ahitana tranga vaovao tahaka izany. Ho an’ny Distrikan’Ambohidratrimo, 30 ireo tranga voamarina, 58 tao Antananarivo Atsimondrano, 28 tao Antananarivo Avaradrano.

215 ireo tranga misy fahasarotana eto Analamanga

Mitombo isa isanandro koa ireo marary mampiseho ilay tranga misy fahasarotana eto amintsika. Araka ny tatitry ny antontanisa nivoaka farany dia tafiakatra 304 ireo ao anatin’ny “formes graves” ankehitriny, amin’ireo marary miisa 3 924 mbola manaraka fitsaboana. Mbola eto amin’ny Faritra Analamanga ihany koa no ahitana izany betsaka, satria ny 215 amin’ireo tranga ireo dia avy eto avokoa. Ahitana 22 koa any amin’ny Faritra Atsinanana, ary 15 ireo marary manao “formes graves” any Diana, raha toa ka 13 izany any Matsiatra Ambony, ary 10 avy any Boeny sy Atsimo Andrefana.

Olona miisa telo ihany koa no fantatra fa lavon’ity valanaretina coronavirus ity. Nivoitra nandritra ny fampitana mivantana ny tarehimarika ihany koa fa nahatratra 227 ireo olona sitrana soa aman-tsara. Hita taratra amin’izany fa aretina azo sitranina tsara ny covid-19,  nefa kosa mitaky fitandremana sy fandraisana andraikitra goavana amin’ny tsirairay ny fisorohana ny fiparitahany.

84,48% ny taham-pahasitranana

Ho antsika eto Madagasikara manokana, 84,48% ny taham-pahasitrana amin’ireo mararin’ny Coronavirus, raha ny tarehimarika no asian-teny. Araka ny fanazavana, tamin’ireo tranga voamarina niisa 28 541nanerana ny Nosy, nanomboka ny 23 Marsa 2020 ka hatramin’ny 11 Aprily, dia niisa 24 111 ireo nahazo fahasitranana soa aman-tsara. Izany indrindra no nahazoana ny salanisa 84,48%. Na izany aza anefa, manomboka miakatra ihany koa ny taham-pahafatesana, indrindra hatramin’ny nidiran’ny “Variant Sud-Africain” teto amintsika. Araka ny angom-baovao, 1,77% ankehitriny ny taha-pahafatesana amin’ny Covid-19 eto Madagasikara. Tamin’ireo tranga voamarina 28 541nanerana ny Nosy, hatramin’ny nisian’ny valanaretina teto amintsika, tafiakatra 506 ny isan’ireo lavo.

Sata (mpianatra asa) sy LR.

Fermer