PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FILOHA ANDRY RAJOELINA: « Tsy azo ekena ny fanararaotana amin’ny fanafody Covid-19 »
Nampiaka-peo manoloana ireo trangana fanararaotana samihafa amin’ny fanafody natao hitsaboana ny Covid-19 ny Filoha Andry Rajoelina, omaly, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny “Centre de Traitement Covid-19” (CTC-19) etsy Soamandrakizay. Tsy azo ekena, hoy izy, ny hisian’ny fanararaotana amin’ny resaka fanafody amin’izao ady sarotra izao.
Ao anatin’ny fahasahirana no tokony hifanome tanana, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ka mila miara-miasa ny rehetra mba hahafahana mandresy ny ady iombonana. Izy izay nanisy tsindrim-peo manokana eo anatrehan’ireo trangana fanararaotana maro samihafa amin’ny fanafody natao hiadiana amin’ny Covid-19. Raha tsiahivina, efa hatrany am-piandohana, na mbola tany amin’ny andiany voalohany aza, ny Fanjakana no nanambara fa maimaimpoana ny fanafody fitsaboana ny Coronavirus. Omaly, mbola nanamafy izany ny Filoham-pirenena, ary nanambara fa “Tsy eken’ny saina ny hisian’ny mpanararaotra amin’izao ady sarotra izao. Tsy mety amin’ny foto-pisainantsika malagasy izany”. Araka ny zavatra hita ankehitriny, hoy ny Filoha, dia misy fanafody tokony hozaraina amin’ny marary kanefa amidy an-tsokosoko, misy koa marary tsy tokony handraisam-bola kanefa hakana vola, sy hampifilafilaina. Ireo tranga rehetra ireo izay samy tsy misy azo ekena avokoa. “Misy ireo mpiasan’ny fahasalamana manao ny asany, araka ny tokony, saingy misy kosa ireo manimba endrika ny asan’izy ireo”, hoy izy. Fotoana izay nanomezan’ny Filoha toromarika manokana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny mba hanaraha-maso akaiky izay manao izany fihetsika mamoafady izany. Ho an’ireo manao ny asany, araka ny tokony ho izy kosa, dia nohamafisin’ny Filoha fa tokony hahazo ny tambin-karama sy ny sakafo ara-dalàna avokoa izy ireo.
“Lovenox” any amin’ny tambajotra sosialy?
Lasa misy mivarotra an-tsokosoko any amin’ny tambajotra sosialy ny “Lovenox” ankehitriny, hoy ny Filoha. Isika anefa dia manana stock amin’izany, hatrany amin’ny “6 500 traitement”, araka ny nambarany. “Izany hoe ireo marary rehetra amin’ny CTC-19, hopitaly, CSB, dia tsy tokony hisy hividy “Lovenox” na dia iray aza”, hoy izy. “Maimaimpoana ny fanafody hitsaboana ny Covid-19. Misy ny antibiotique toy ny Azithromicine, ny fanafody mampatanjaka toy ny Magnésium sy ny Vitamine C, ny CVO Plus Gélule. Tsy maintsy omena ireo daholo ny marary rehetra. Ny Dokotera kosa no mamaritra raha tokony homena Lovenox ny olona iray na tsia”, hoy hatrany izy. Hentitra, araka izany, ny Filoham-pirenena amin’ny tokony tsy hisian’ny fanararaotana. “Misy olona tokony ho mila izany kanefa tsy mahita, misy anefa ireo mivarotra izany any amin’ny tambajotra sosialy, ka tsy azo ekena”, hoy hatrany izy.
2 400 ireo “concetrateurs d’oxygènes” nafarana
2 400 ireo “concetrateurs d’oxygènes” nafarana tamin’ny andiany voalohany, efa miparitaka ary isan’izany ireo ampiasaina etsy amin’ny CTC-19 Soamandrakizay, araka ny fanazavan’ny Filoha. Kanefa, nomarihiny fa miankina amin’ny toe-pahasalaman’ny olona no hahazakany ny “Concentrateurs d’oxygène” na tsia. Ity fitaovana ity izay tsy mahazaka “oxygène” mihoatra ny 10 litatra. “Raha vao mihoatra an’izay ny filàn’ilay marary, izany hoe any amin’ny 20 litatra any ho any, dia tsy zakan’ny “concentrateurs d’oxygène” intsony, fa mila “bouteilles d’oxygènes””, hoy ny fanazavany. Araka izany, hanafatra “bouteilles d’oxygène” i Madagasikara mba hahafahana mitsabo marary hatrany amin’ny 2000 isa.




