PolitikaSongadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY COVID-19 : Hofehezina ny vidim-panafody, mihiboka Analamanga rehefa Sabotsy sy Alahady

Fepetra manokana noraisin’ny Fitondram-panjakana hifehezana ny fiparitahan’ny valanaretina eto amin’ny Faritra Analamanga ny fidirana amin’ny fihibohana tanteraka rehefa sabotsy sy Alahady, raha toa ka afaka manohy ny asa mahazatra kosa amin’ny andavanandro. Tetsy ankilany, nilaza ny Filoha, omaly, fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny tomponandraikitra voakasika rehetra hahafahana mamaritra sy mifehy ny vidim-panafody hisorohana ny fanararaotana.

Nivoaka ny didim-panjakana laharana faha 2021- 443, omaly, nanitatra 15 andro indray ny fe-potoana ny Hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika. Tsy maintsy noraisina izany, hoy ny Filoham-pirenena, noho ny mbola firongatry ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara, indrindra ny eto amin’ny Faritra Analamanga. Ho an’ity farany manokana, tafiakatra 889 ireo tranga voamarina tao anatin’ny roa andro farany, ary teto Antananarivo Renivohitra avokoa ny 575 tamin’ireo.

Manoloana izany, nanapa-kevitra ny Fitondram-panjakana ny hampiditra an’Analamanga ho ao anaty fihibohana tanteraka rehefa Sabotsy sy Alahady mba hahafahana mampihena ny fifampikasohana. Tsy misy miasa, noho izany, ny fitateram-bahoaka rehetra, afa-tsy ny fiara karetsaka mitondra marary. Tsy misy afaka mivezivezy, ary ireo « service essentiel » ihany no miasa.

Fepetra mihatra manerana ny Nosy kosa ny mbola fikatonan’ny sekoly sy ny anjerimanontolo, na ny miankina na ny tsy miankina, ho fitandrovana ny ain’ny ankizy sy ny fiparitahan’ny aretina. Mbola mikatona kosa ny Faritra Analamanga, Boeny, Atsinanana, Sava, ary i Nosy Be. Faritra vaovao nanambarana fikatonana ihany koa i Sofia, izay hanomboka ny Alarobia izao. Mitohy ny fampiharana ny “couvre feu” amin’ireo Faritra voalaza ireo manomboka amin’ny 09ora alina ka hatramin’ny 4ora maraina, mikatona avokoa ny trano filanonana, ny toeram-pisotroana, ary ny toeram-pialamboly rehetra. Misokatra kosa ny toeram-pisakafoana saingy voafetra ihany ny olona azo raisina. Notsindrian’ny Filoha fa tsy misy misokatra ny toeram-pivavahana rehetra. Etsy ankilany, mbola mikatona ny zotra nasionaly rehetra amn’ireo Faritra mikatona ireo.

Fasan’ny firaisam-po

Araka ny nambaran’ny Filoha, tsy azo atao ny fitondrana ny razana amin’ireo Faritra mihidy. Manoloana ny hamaroan’ireo olona lavon’ny valanaretina kosa anefa, apetraka ny fasan’ny firaisam-po isaky ny distrika. Ka ho an’Analamanga manokana, eny Mandrosoa, Distrikan’Ambohidratrimo no hisy izany, ary eny Sabotsy Ambatofotsy kosa ny iray. Fotoana izay nanipihan’ny Filoha fa tsy mahazo miasa mihitsy ireo marefo amin’izao vanim-potoana izao, ary ampirisihana ny “télé travail” raha azo atao. Tsara ho fantatra fa voarara ny famoriana olona mihoatra ny 50. Ny sidina anatiny kosa mitohy ho an’ireo Faritra tsy voakasiky ny fikatonana. Saingy tsy maintsy manao fitiliana adin’ny telo mialohan’ny hiaingana ny mpandeha.

Nofaritana ny vidim-panafody

Nomarihin’ny Filoha fa ny fanafody, ny fitsaboana, ny fandraisana an-tanana sy ny sisa eny amin’ireo Hopital/Hotel dia hiantohan’ny Fanjakana avokoa. Ny Filoha izay nitondra teny fankaherezana sy fankasitrahana ireo mpiasan’ny Fahasalamana rehetra. Kanefa, misy olom-bitsy manararaotra ny zava-misy manao varo-maizina ny fanafody, hoy izy. Tokony ho maimaimpoana avokoa anefa izany. Mbola manana tahirina Lovenox hatramin’ny 4500 isa isika izao. Noho izany, esorina amin’ny asany izay tomponandraikitra manao ny tsy rariny sy manararaotra, hoy izy. Toy izany koa ny fanaovana fitiliana, misy mitaky 50 000ariary amin’ny famoahana ny taratasy fanamarinana kanefa tokony maimaimpoana. Nisy koa ny fiakarana tampoka amin’ny vidim-panafody. Teo anatrehan’izany, tsy maintsy napetraka niaraka, ary nofaritana ny vidin’ny fanafody, taorian’ny fiaraha-midinika teo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamambahoaka, ny Holafitry ny Farmasiana, ary ny Minisiteran’ny Varotra.

“Doléances.Covmada“

Hisy manomboka izao ny Pejy Facebook sy Instagram manokana mitondra ny anarana hoe “Doléances.Covmada“ andraisana ny fitarainana sy ny fanamarihana rehetra momba ny ady amin’ny Covid-19, ny resaka fanafody, ny fandraisana an-tanana, sy ny sisa , eo ambany fitantanan’ny Fiadidiana ny Repoblika.

Nilaza ny Filoha, omaly, fa nanampy Concentrateurs d’oxygène miisa 2000 ny Fanjakana, ary bouteilles d’oxygènes 2000 isa. Nampitomboina koa ny isan’ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy. Ary apetraka ny fanohanana ara-tsaina eny anivon’ny CTC-19, hiarahana amin’ireo psychologue. Niantso ireo mpitondra fivavahana mazoto hanolo-tena hitondra ny teny fankaherezana sy hitrotro am-bavaka ireo marary eny amin’ireo toerana mandray an-tanana ny Covid-19 koa ny Filoha.

Fermer