
Songadim-baovao
Fakana an-keriny tao amin’ny distrikan’i Miandrivazo : Avotra ireo olona efatra takalonaina, dahalo enina lavon’ny zandary
Mirongatra ny fakana an-keriny amina distrika roa any amin’ny distrikan’i Miandrivazo sy any amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, ny herinandro lasa teo. Ho an’ny distrikan’i Miandrivazo, navotan’ny zandary ireo takalonaina miisa efatra, raha novonoin’ireo mpaka takalonaina kosa, ireo mpivady tany amin’ny distrikan’i Tsaratanàna. Fanadihadiana…

Lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo miisa telo, isan’ireo naka an-keriny ireo mpaka takalonaina ireo olona efatra tao Marolefo, ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Manambina, distrikan’i Miandrivazo. Nandritra ny fifandonana tao amin’ny Kizo Ambaibo, tao amin’ny tendrombohitra Bemaraha, ny 16 avrily tokony ho tamin’ny mitataovovonana. Niezaka nanohitra hatramin’ny farany ireo mpaka an-keriny, saingy tsy nanaiky mora foana ny zandary. Vokany, lavon’ny balan’ny zandary izy ireo. Nandritra ny fanadihadiana lalina natao, sarona koa ny mpiray tendro miisa telo ka nahafaha-nahazo olona telo, izay isan’ireo atidoha nikotrika izao fakàna an-keriny izao, fantatra amin’ny anarana hoe Doré. Ity farany, izay mipetraka ao amin’ny fokontany Marolefo, kaominina ambanivohitra Manambina, anatin’ny distrikan’i Miandrivazo. Omaly, nisy ny fidinana ifotony nataona zandary miisa 15 notarihin’ny Kaomandin’ny kaompanian’i Miandrivazo nihazo an’Ambararata, toerana fieren’ireo dahalo. Nisy ny fifandonana niseho, ka nahalavo ireo olon-dratsy miisa telo tao amin’ny alan’Ambalambakisiny. Niezaka nanohitra k oa ireo olon-dratsy, saingy tsy nahovoka ka antony nahalavo azy ireo nandritra ny fifandonana. Avotra soa aman-tsara kosa, ireo olona efatra nalain’ireo dahalo takalonaina.
Novonoin’ireo mpaka an-keriny izy mivady

Ny alakamisy lasa teo, novonoin’ireo dahalo miisa efatra ny renim-pianakaviana iray tao an-tranony, raha nentin’izy ireo, nalaina an-keriny kosa, ny vadiny tao an-tranony, antsoina hoe Josoa. Vantany vao nahare izany ny zandary dia niezaka nanetsika ireo zandary, mba hiambina ny kizo ao Marotsipoy, kaominina ambanivohitra Marotsipoy, anatin’ny distrikan’Anjozorobe. Taorian’ny fitsirihina ny finday nampiasain’ireo olon-dratsy, izay niezaka nifandray tamin’ny fianakavian’ilay olona nalaina an-keriny. Fantatra fa ao amin’ny toerana antsoina hoe Nosikely manamorona ny reniranon’i Betsiboka, distrika manasarana an’i Tsaratanàna sy Ankazobe. Nisy, araka izany, ny baiko nomena ireo zandary hamonjy ny toerana voalaza. Ny 16 avrily, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, raikitra ny fifandonana niseho tamin’ireo dahalo sy ireo zandary avy amin’ny CSAO, niaraka tamin’ireo miaramila sy ny fokonolona tany an-toerana.
Tafatsoaka nandritra izany i Josoa ilay nalaina an-keriny ary nanatevina niverina tamin’ireo mpanenjika sy ireo mpiandry omby. Saingy, noho ny resaka nifanaovana dia lasa niverina tany amin’ireo mpaka an-keriny indray izy noho ny fatahorany valifaty ho ataon’ireo dahalo. Ireo mpanenjika kosa, tetsy andaniny izay, noho ny andro efa alina dia tsy sahy nanohy ny fanenjehana fa niandry ny andro hazava.

Afakomaly, dia nojerena avokoa ny toerana mety andehanan’ireo dahalo mpaka takalonaina, ka isan’izany tao Antina, izay ao Amboniakondro mifandray amin’Ankaraoka. Tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro, raikitra ny fifandonana tamin’ireo olon-dratsy, nifanandrinan’ny tarika GPHC Raharinandrasana Théodore, nitarika ny CSAO Andriamena napetraka tao Antsapandrano, tanàna ambanivohitra Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe. Rehefa tsapan’ireo dahalo fa efa voahodidina izy ireo, dia novonoiny ilay takalonaina, ary vaky nandositra izy ireo. Hatramin’izao, mbola mitohy ny hazalambo miaraka amin’ny Kaompanian’Imerina.
Fakàna an-keriny tao Brieville
Ny herinandro lasa iny koa, olona monina ao Brieville tampon-tanàna no nisy naka an-keriny raha niasa teny an-tanimbary, taorian’ny tatitra nataon’ny Kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Alaotra Mangoro. Rehefa natao ny fanarahan-dia, izay niarahana tamin’ireo toby manodidina nisehoan’ny tranga. Saingy, tery tanteraka ny lalan ireo mpaka an-keriny dia novotsoran’ireo olon-dratsy ireo takalonaina, ora vitsy taorian’ny nisehoan’ny tranga.




