PolitikaSongadim-baovaoSosialy
VAKSINY COVID-19: Covishield, Pfizer, Sinopharm, Johnson&Johnson no safidin’i Madagasikara
Tsy hijanona amin’ny vaksiny iray i Madagasikara amin’ny fanefitra sy ny fisorohana ny Covid-19, araka ny tapaka nandritra ny fikaonan-doha teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny Akademiam-pirenen’ny Mpitsabo. Karazana vaksiny efatra no fantatra fa mety amintsika, dia ny Covishield, ny Pfizer, ny Sinopharm, ary ny Johnson&Johnson. Fanadihadiana…
Ny Fitondram-panjakana ankehitriny dia tsy manohitra vaksiny velively, ary tsy mbola nilaza mihitsy fa tsy mankasitraka ny fampiasana vaksiny, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, omaly, nandritra ny fihaonana teo aminy sy ny Akademiam-pirenen’ny Mpitsabo (Anamem), notarihin’ny Filoha lefiny Profesora Anges Randrianarisoa tao amin’ny Lapam-panjakana Ambotsirohitra. Fihaonana izay nahitana ihany koa ny Minisitry ny Fanabezampirenena, ny Ministry ny Fahasalamambahoaka sy ny Ministry Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Anton’ny fihaonana ny fandinihina indray momba ny vaksiny hiadiana amin’ny Covid -19 hampiasaina eto Madagasikara. Ny Filoha rahateo, nandritra ny tafa nataony tamin’ny vahoaka malagasy, alahady teo, efa nampanantena fa tokony hivoaka amin’ity herinandro ity ny fehinkevitra momba ny vaksiny avy amin’ny Anamem.
Araka izany, ampidirina ho isany fomba hiadiana amin’ny Covid -19 ny vaksiny mba hamonjena aina, araka ny fanazavana, ary tsy hijanona amin’ny vaksiny iray ihany ny safidin’ny Fanjakana taorian’ny fifampidinihina omaly. Raha ny fanazavan’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, noho izany, dia anisany vaksiny azo ampiasaina sy mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara ny Covishield, ny Pfizer, ny Sinopharm ary ny Johnson&Johnson(Jansenn). Ity Minisitra ity izay nilaza fa napetraka ho paikady tamin’ny fifidianana ireo karazana vaksiny ireo ny fampifanarahana ny vaksiny amin’ny olombelona hisitraka izany sy ny faritra hanaovana ny vaksiny.
Hafainganina ny fahazoana ny vaksiny
Araka ny fampitam-baovao, ho laharam-pahamehana hisitraka ireo vaksiny ireo ny mpiasan’ny fahasalamana ary koa ireo olon-dehibe efa nahazo taona. Ny fampiasana ireo vaksiny ireo koa anefa dia miankina amin’ny fivoaran’ny valanaretina eto amintsika sy maneran-tany ihany. “Ankoatran’ilay « initiative COVAX » izay efa hizorantsika ankehitriny dia efa mijery vahaolana hafa ihany koa ny Fitondram-panjakana mba hahafahana manafaingana ny fahazoan’i Madagasikara ireo vaksiny ireo sy hamonjena ny ain’ny vahoaka Malagasy”, hoy ny seraseran’ny Fiadidiana ny Repoblika. Araka izany, mikaroka lalana samihafa ny Fanjakana amin’izao fotoana amin’ny fahazoana ny vaksiny. Ka ankoatry ny fandaharanasa COVAX tarihin’ny OMS, efa misy ihany koa ny fikarohana lalana hafa hahazoana vaksiny amin’ny fandaharanasa AVAT eo anivon’ny Vondrona Afrikana, araka ny tatitry ny Ministry ny fahasalamana. Miantso fiaraha-miasa amin’ny rehetra araka izany ny Fanjakana indrindra ny sehatra tsy miankina hikarohana lalana hafa hanamorana ny fahazoana ny vaksiny.



