PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FIHIBOHANA FARAN’NY HERINANDRO : Polisy maherin’ny 1000 hahetsika

Fepetra noraisin'ny Fanjakana ho famerana ny fifamezivezena mitarika amin'ny fiparitahan'ny valanaretina eto Analamanga ny fidirana amin'ny fihibohana tanteraka rehefa Sabotsy sy Alahady. Ho an'ny eo anivon'ny Polisim-pirenena manokana, fantatra fa maherin'ny 1000 ireo hiasa amin'ireo andro roa ireo, hampanaja ny Fepetra fihibohana.

Manodidina ny 400 isanandro eo ho eo ireo tranga voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto amin’ny Faritra Analamanga ankehitriny. Ity farany izay mitana ny laharana voalohany amin’ireo toerana ahitana Covid-19 betsaka indrindra eto Madagasikara. Noho izany indrindra no nandraisan’ny Fitondram-panjakana ny Fepetra fihibohana tanteraka rehefa Sabotsy sy Alahady manerana ny Faritra Analamanga. Omaly, nitondra fanazavana mahakasika ireo fepetra horaisin’ny Polisim-pirenena mahakasika ity fanapahan-kevitra ity ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka eto Faritra Analamanga, ny Commissaire Principal de Police, Razafindrazaka Hector. Nambarany fa avy hatrany dia hahetsika avokoa ireo polisy isaky ny kaomisaria eto Analamanga, indrindra eto Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, sy Avaradrano, amin’ireo andro ireo, ary fehezina tanteraka ny fifamoivoizana. « Mitovy amin’ny Fepetra raisina amin’ny Couvre-feu ihany no raisina isaky ny Sabotsy sy ny Alahady. Tsy maintsy handraisana fepetra izay minia mandika ny lamina Efa napetraka« , hoy ity tomponandraikitra ity.

Misy ireo afaka mivezivezy malalaka

Mihidy tanteraka ny mivoaka sy miditra an’Analamanga, sakanana ny endrika fivezivezena rehetra ato anatiny, ireo voasokajy ho mpiasa amina « Service essentiel » toy ny farmasiana, mpivarotra enta-madinika, mpiasan’ny fahasalamana, mpiasan’ny Jirama, ny mpanao gazety, ireny ihany no afaka mifamezivezy malalaka. Ho an’izay rehetra minia mandika an’ireo Fepetra ireo, dia tsy maintsy entina avy hatrany any birao avy hanaovana dosie noho ny fandikan-dalàna nataony. Fotoana izay nampahatsiahivany fa maro ireo milaza ny tenany ho olona ambony sy mahafantatra olona ambony nandritra ny fotoanan’ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina, ka tsy maintsy nentina nankany amin’ny birao avy hatrany.

Mivory ireo tomponandraikitra voakasika

Ho fiatrehana io Sabotsy sy Alahady io indrindra, fantatra fa manatanteraka fivoriana amin’izao fotoana ireo mpisehatra voakasika amin’ny fitandroana ny filaminana rehetra, ka hamoaka rindran-damina sy Paikady iraisana. Anisany hodinihina amin’izany ny fomba hampiharana ny fihibohana tanteraka, kanefa ny tsy maintsy hamelana ny olona hivoaka hiantsena sy hividy izay zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Aorian’izay koa vao ho fantatra ny tena isan’ireo mpitandro filaminana rehetra hiasa amin’ny fampanajana fepetra, indrindra ny avy amin’ny Tafika sy ny Zandary.

Fermer