Songadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY COVID-19 : Tafapetraka ny CTC-19 ao Taolagnaro
Anisan’ireo Faritra efa ahitana ny valanaretina Covid-19 ny Faritra Anosy ankehitriny. Tato anatin’ny andro vitsivitsy, nidina tany an-toerana ny Minisitra mpiahy io Faritra io, Ramatoa Rakotovelomanantsoa Voahary, nametraka ireo paikady maro samihafa hiadiana amin’ity valanaretina ity any an-toerana. Ka isan’izany ny fametrahana ny “centre de traitement Covid-19” CTC-19 ao Taolagnaro.
Hamafisina ny paikady iadiana amin’ny Covid-19 any amin’ny Faritra Anosy. Tany Taolagnaro nanomboka andro vitsivitsy ny Ministra mpiahy io Faritra io, Voahary Rakotovelomanantsoa, miandraikitra ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana. Niompana tamin’ny fanomanana ny fametrahana CTC-19 ao Taolagnaro ny diany. Ny Alatsinainy 19 aprily teo dia nisy ny fiaraha-midinika tamin’ny CRCO-Anosy ary ireo tomponandraikim-panjakana sy ny olomboafidy ao amin’ny Faritra Anosy. Nivoitra tamin’izany ny fahavononan’ny rehetra hanamafy ny ady amin’ny covid-19 any Anosy, ka ho fanoitra lehibe amin’izany ny fametrahana CTC-19 ao Taolagnaro. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fanomezana fitaovana, fandrina, fanafody, nampiana koa ny “concentrateurs d’oxygène”. Tanjona, hoy ny Minisitra, ny hahavonona ny ivon-toerana amin’ny fandraisana an-tanana ny marary.
Fihaonana tamin’ny tomponandraikitra
Nandritra izao diany izao, nivory niaraka tamin’ireo tomponandraikitry ny toeram-pitsaboana tsy miankina ihany koa ny Ministra Voahary Rakotovelomanantsoa, mpiahy ny Faritra Anosy. Ny fiaraha-mientana sy ny fifamenoana eo amin’ny ady atao no nifantohan’ny dinika. Notsahivin’ny Ministra mpiahy nandritra ny fihaonana fa tsy andoavam-bola ny fanafody hiadiana amin’ny covid-19.
Iraka avy amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ny Minisitra Rakotovelomanantsoa Voahary. Tafiditra tao anatin’ireo tsy maintsy niara-nidinika taminy, noho izany, ireo tomponandraiki-panjakana ambony avy any amin’iny Faritra iny, isan’izany ny Governora, ny Prefe, ny lehiben’ny mpitandro filaminana, sy ny sisa hafa koa. Nandritra io fihaonana io koa no nanamafisan’ny Minisitra mpiahy ny tokony hanajana hatrany ireo fihetsika sakana tokony hajaina amin’ny fisorohana ny Covid-19.




