
Songadim-baovao
Fitondrana razana an-tsokosoko : Faty tokony halevina etsy Ambohitrolomahitsy, tany Vohémar vao tratra
Nanaitra ny fandrenesana fa Ramatoa iray nodimandry tamin’ny 17 avrily lasa teo, tao amin’ny Hopitaly Salfa Ambohibao Antehiroka, izay tokony halevina tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohitrolomahitsy, saingy tany amin’ny sakana ao Maromokotra, ao anatin’io Kaomininia io, izay any amin’ny distrikan’i Vohémar vao tratra afakomaly, tokony ho tamin’ny 3 ora hariva.

Mafy tokoa ve izany tsy tonga any am-pasan-drazana izany ! Nanaitra ny fandrenesana fa Ramatoa iray nodimandry tamin’ny 17 avrily lasa teo, tao amin’ny Hopitaly Salfa Ambohibao Antehiroka, izay tokony halevina tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohitrolomahitsy, saingy tany amin’ny sakana ao Maromokotra, ao anatin’io Kaomininia io, izay any amin’ny distrikan’i Vohémar vao tratra afakomaly, tokony ho tamin’ny 3 ora hariva. Raha ny angom-baovao, avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisian’ity razana nentina an-tsokosoko io, ka nampita izany, tamin’ny Lietnà Randrianajaina Tendry, lehiben’ny sakana ao Ambararata Ambilobe ary nampian’ny Lietnà Isaia Rakotonirina, lehiben’ny sakana ao Maromokotra Vohémar, izay nidina ifotony nizaha ny zava-misy marina. Tsikaritra tokoa fa nisy ny fiara Mazda nentin’ny mpampily antsoina hoe Hamba, mipetraka any Ambanja, no nitondra ny razana, izay nodimandry tamin’ny 17 avrily. Raha ny fahazoan-dalana handevina azon’ireo fianakavian’ny maty, dia ny laharana faha :118-20/COM/ANT/EC, tamin’ny 17 avril 2021, izay manome alalana handevina ao Ambohitraza, Kaominina ambanivohitra Ambohitrolomahitsy, distrikan’i Manjakandriana, Faritra Analamanga.
Nandraisana fepetra…

Taorian’ny fanadihadiana savaranonando ny fianakavian’ny maty no nahafantarana fa nentina tamin’ny kamiao mpitatitra entana hatrany Ambanja ny razana. Avy ao indray, vao nentina tamin’ny 4*4, saingy noho ny olana mekanika, dia nentina fiara Mazda indray, izay hitondra ny razana ho any Ampanefena. Tiana ny manamarika fa nisy olona sivy no niaraka tamin’ny razana, tamin’io fotoana io. Taorian’ny fanadihadiana ny taratasy dia nisy ny fitanana an-tsoratra tamin’ny famonosana ny razana nataon’ny zana-tobim-paritra Antehiroka Ambohibao. Nisy ny taratasy fahazoan-dalana handevina avy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Nahitana taratasy manamarina, ny amin’ny tsy nahavoa azy ny valanaretina covid-19 sy ny filazam-pahafatesana nomen’ny dokotera avy ao amin’ny Salfa Loterana Ambohibao. Niaraka tamin’izay koa ny fanamarinam-pahafatesana sy ny « certificat médical » manamarina laharana 72 MSANP/SG/DGFS/CHUJRB/DE/USIC, ny 17 aprily 2021, avy amin’ny dokotera avy ao amin’ny Hopitaly Befelatanana. Nisy, araka izany, ny fepetra noraisina, nampahafantarina ny zava-misy ny eo anivon’ny CRCO Sava. Tsy navela nihetsika ilay fiara Mazda ao Maromokotra. Natao andri-maso avokoa ireo olona voakasika ity raharaha ity. Nalevina avy hatrany ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Maromokotra ny razana, araka ny toromarika avy amin’ny CRCO Sava. Efa mandeha, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny Kaompanian’i Vohémar momba ity fitondrana razana mivoaka an-tsokosoko amin’ireo Faritra voalaza fa mikatona. Tiana ny manamarika fa tsy azo atao ny mitondra razana mivoaka ny faritra, amin’ireo toerana mihiboka na voan’ny valanaretina covid na tsia.



