Songadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY COVID-19: Ho tonga afaka 15 andro ireo vaksiny nafaran’i Madagasikara
Nandritra ny fivahinianany tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana omaly no nanambaran’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, fa ho tonga afaka 15 andro ireo vaksiny nafaran’ny Fitondram-panjakana ka ireo Mpiasan’ny Fahasalamana sy ireo miaramila izay lohalaharana amin’ny fiatrehana izao valanaretina izao no hisitraka izany voalohany. Tsiahivina fa anisan’ireo niditra tao amin’ny fandaharanasa Covax isika, nahafahana nahazo ireo vaksiny ireo. Araka izany, manomboka amin’ny herinandro dia hisy ny fandraisana ny anaran’ireo olona marefo sy Zokiolona izay maniry ny hisitraka izany, araka ny fanazavana. Marihina fa an-tsitrapo fa tsy an-tery ny fanaovana vaksiny, araka ny efa nambaran’ny Fitondram-panjakana hatramin’izay. Ireo Faritra efa tena ahitana betsaka ny trangana covid-19 kosa anefa no anisany hatao laharam-pahamehana amin’ny fanaovam-baksiny, araka ny fampitam-baovao hatrany, isan’izany ny Faritra Analamanga.
Vaksiny karazany efatra
Marihina fa mbola tsy navoitran’ny Minisitra tomponandraikitra ny anaran’ireo vaksiny ho avy afaka 15 andro ireo. Raha tsiahivina, tsy nijanona tamin’ny vaksiny iray ihany ny safidin’ny Fanjakana taorian’ny fifampidinihina tamin’ny Anamem. Raha ny fanazavan’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny fiandohan’ny herinandro teo, dia anisany vaksiny azo ampiasaina sy mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara ny Covishield, ny Pfizer, ny Sinopharm ary ny Johnson&Johnson(Jansenn). Ity Minisitra ity izay nilaza fa napetraka ho paikady tamin’ny fifidianana ireo karazana vaksiny ireo ny fampifanarahana ny vaksiny amin’ny olombelona hisitraka izany sy ny faritra hanaovana ny vaksiny.



