SamihafaSosialy

ASA FANAOVAN-GAZETY: Mikatso ny vina fitsinjarana ny karatra maha matihanina

Isany sehatra ahitana endrika fisolokiana isan-karazany ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ankehitriny. Tsy vitsy ireo karazan’olona mitono-tena ho mpanao gazety, kanefa, rehefa zohina dia tsy feno ny fepetra maha mpanao gazety matihanina azy. Misy, noho izany, ny vinan’ny minisiteran’ny Serasera ny hanome karatra ireo mpanao gazety tena matihanina. Mikatso anefa izany tetikasa izany ankehitriny noho ny antony tsy miankina amin’ny minisitera…

Mpanao gazety “Foza”. Io no hanasokajian’ny maro ireo olona mitonona ho mpanao gazety kanefa tsy mahafeno akory ireo fepetra hahafahana manamarina ny maha mpanao gazety azy. Tsy vitsy amin’izy ireny no tsy miasa amina orinasa fanaovan-gazety akory. Misy koa ireo tsy nivoaka tamin’ny toeram-pampiofanana na nandalo fiofanana mahakasika io sehatra io mihitsy. Fomba tokana hahafahana manavaka ny tena mpanao gazety amin’ireo mpisandoka, araka izany, ny fampisitrahana ny karatra maha matihanina. Efa nisy ny dingana nataon’ny minisitera amin’ny fanatanterahana io vina io. Voalohany indrindra amin’izany ny fananganana ny “Comission Paritaire”, izay nambaran’ny Tale jeneralin’ny Serasera, Fanahimanana Tiaray, fa manaraka ny voalazan’ny lalàna mifehy ny serasera mbola manan-kery ankehitriny. Efa nisy ny “arrêté” navoakan’ny minisitera mahakasika izany, tany amin’ny volana Febroary tany ho any, hoy izy.

Voamarin’ny filoha lefitra enina

Tamin’ny ankapobeny, efa tontosa avokoa ny dingana rehetra tokony narahan’ny minisitera amin’ny fananganana ity “Commission paritaire” ity, mba hahafahanan’ny mpanao gazety misitraka ny karatra maha matihanina. Tsara tokoa mantsy no manamarika fa efa vita daholo ny fifidianana natao isam-paritra,  ho an’izay ho mpikambana eo anivon’ity komity manokana ity. Ary ireo filoha lefitry ny holafitry ny mpanao gazety miisa enina isaky ny faritany no nanamarina ireo olona voafidy ireo, avy tany amin’ny toerana hiadidian’izy ireo avy. Ny birao foiben’ny holafitra sisa, noho izany, no andrasana amin’ny famoahana ny “Lettre de confirmation” farany, mialohan’ny hirosoana amin’ny fizarana ny karatra. “Tokony ho fantarina mialoha avokoa ireo tena mpanao gazety marina mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidiana ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety vaovao indray”, hoy ny Tale jeneralin’ny Serasera.

Ny Tale Jeneralin’ny Serasera, Fanahimanana Tiaray.

“Vice de procedure” ?

Efa am-bolana maromaro no nalefan’ny minisitera teo anivon’ny Holafitra ny anaran’ireo olona voafidy ho mpikambana ao anatin’ny “Commission paritaire”. Noho ny fihibohana sy ny noho ny antony hafa anefa dia mbola tsy nahenoana setriny ny Holafitra hatreto. Araka ny fantatra, mbola mitaky ny tokony hanaovana fanadihadiana manokana eny ifotony ny eo anivon’ny holafitra, mahakasika ireo anarana azo avy any amin’ny faritra, izay nilazan’izy ireo fa nisiana “Vice de procedure”. Nohamafisin’ny avy ao amin’ny minisitera anefa fa tsy nisy fitsabahana avy amin’izy ireo mihitsy ny fifidianana rehetra natao isam-paritra. Ny trano na ny toerana nanaovana ny fifidianana ihany no andraikitry ny minisitera, hoy ny fanazavana.

Tags
Fermer