PolitikaSongadim-baovao
TALE JENERALIN’NY SAMIFIN VAOVAO: Asa miandry voalohany ny fanaraha-maso ny fampodiana vola vahiny
Rajaonarison Mamitiana. Izy indray no voatendry hisahana ny toeran’ny Tale Jeneraly eo anivon’ny Sampan-draharaha Malagasy Iadiana ny Famotsiam-bola sy ny Famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana na ny Samifin. Nanao ny fianianany omaly ity tomponandraikitra vaovao ity. Fotoana izay natrehin’ny Filoha Andry Rajoelina, ary nilazany fa asa voalohany miandry ny Tale jeneraly vaovao ny fitsirihina ny vola vahiny tokony haverina an-tanindrazana na ny “rapatriement des devises”.
Araka ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Repoblika, Andriamatoa Rajaonarison Mamitiana dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny Samifin, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra ny 24 Marsa 2021 lasa teo. Tatitra izay nohamafisin’ny Didim-panjakana laharana 2021-327, tamin’ny 24 Marsa 2021, nanendry azy ho eo amin’ny toerana. Araka ny voafaritry ny lalàna hatrany, noho izany, notontosaina omaly ny fandraisana ny fianianan’ity tomponandraikitra voalohan’ny Samifin ity. Ary anisan’ny olo-manan-kaja ambony nanatrika izany ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Ity farany izay nanamafy nandritra ny tafa fohy izay nataony tamin’ny mpanao gazety fa zava-dehibe ho an’ny Fitondram-panjakana ankehitriny, indrindra amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola. Izany indrindra no antony nanatrehany ny lanonam-pianianan’ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN vaovao, tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana an-Tampony Anosy omaly 28 aprily 2021. Nambaran’ny Filoham-pirenena fa andraikitra voalohany miandry ity Tale Jeneralin’ny SAMIFIN ity ny fanaraha-maso akaiky ny fampodiana ireo vola vahiny izay isan’ny mampidi-bola be ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Eo ihany koa ny famotorona ireo olona rehetra voakasiky ny fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena. “Hanome ainga vao sy hanome vokatra amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ny fanendrena izao tale vaovaon’ny SAMIFIN izao”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.
Fomba fiasa vaovao
Tetsy ankilany, anisan’ny vina vaovao entin’i Mamitiana Rajaonarison, amin’ny fitantanana ny Samifin, araka ny nambarany, ny hahatonga ny olona hatahotra amin’ny fanaovana famotsiam-bola eto Madagasikara, na izany vola avy any ivelany, na vola maloto eto an-toerana. Ankoatra izay, isan’ny tanjona napetrany koa ny tsy hahazoan’ireo mpanao famotsiam-bola tombontsoa amin’ny asa ratsy ataony. Izany hoe, izay vola maloto tra-tehaka dia averina avy hatrany any amin’ny kitapom-bolam-panjakana, fa tsy misy olon-kafa tokony hisitraka izany intsony. Mba hahafahana manatanteraka izany dia hifantoka amina dosie goavana ny Samifin manomboka izao. Ary farany, fomba fiasa vaovao apetraka eo anivon’ny Samifin manomboka izao ny fitrandrahana sy fanaovana fanadihadiana avy hatrany izay trangana famotsiam-bola mampiahiahy, fa tsy miandry tatitra na fanadihadiana ataona rafitra hafa fotsiny intsony. Izany hoe, ny Samifin mihitsy no hirotsaka an-tsehatra hitady ireo vola maloto miparitaka.

Teraka tamin’ny 24 Jona 1973 ny Tale Jeneralin’ny Samifin Vaovao, Andriamatoa Mamitiana Rajaonarison. Administratera sivily nivoaka tao amin’ny Ecole Nationale d’Administration (ENA) de Strasbourg andiany 2007-2008 ny tenany, nandalo tao amin’ny Institut d’Etude Politique (IEP) ihany koa. Izy izay sady manamboninahitra ambony teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena malagasy ihany koa. Efa nanana traikefa sy nandalo fiofanana maro momba ny ady amin’ny kolikoly, famotsiam-bola, ny fanadihadiana ara-bola, ary ny fanaraha-maso ny fahazoana harena tsy ara-drariny, ny Tale Jeneraly vaovaon’ny Samifin ankehitriny. Tsara marihana fa anisany efa nianatra tao amin’ny Académie Internationale Anti-corruption de Vienne any Autriche ihany koa ny tenany.



