Songadim-baovaoSosialy

FANDRAISANA AN-TANANA IREO MARARIN’NY COVID-19: Tonga ny “Concentrateurs d’oxygènes” miisa 2 000 nafaran’ny Fanjakana

Araka ny efa nambaran’ny Filoham-pirenena tamin’ny lahateniny, nigadona omaly teny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato ireo “Concentrateurs d’oxygènes” miisa 2 000 nafaran’ny Fanjakana. Fantatra nandritra izany fa hotsinjaraina any amin’ireo Faritra tena ahitana betsaka ny mararin’ny Covid-19 ireto fitaovana ireto.

Ireo mararin’ny Covid-19 manomboka manana olana ara-pisefoana no ilàna « Concentrateurs d’oxygènes », araka ny fanazavan’ny mpiasan’ny Fahasalamana. Eto amintsika manokana, saika ireo « Centre de Traitement Covid-19 » CTC-19 no mandray an-tanana ireo marary ao anatin’izany sokajy izany. Tato anatin’ity andiany faharoa amin’ny Covid-19 ity, tsy vitsy ireo nitaraina noho ny tsy fahampian’ny Oxygène ampiasaina amin’ireo marary, ka mitarika mankany amin’ny tranga misy fahasarotana, na mety hiteraka famoizana aina mihitsy aza. Teo anatrehan’izany, tsy nitaza-potsiny ny Fitondram-panjakana fa nikaro-bahaolana tamin’ny fanafarana ireo “Concentrateurs d’oxygènes” hanamafy ndray ny fandraisana an-tanana ireo mararin’ny Covid-19.

Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly 28 aprily 2021, araka izany, ireo « Concentrateurs d’oxygène » miisa 2000 entina hamonjena sy hanavotana ny ain’ny vahaoaka Malagasy miady amin’ny valananaretina COVID-19. Efa nisy ny andiany voalohany tamin’ireo « Concentrateurs d’oxygène » ireo, izay niisa 2400 tonga tamin’ny taona 2020 ka izao nampian’ny Fitondram-panjakana izao. Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay tonga nitsena ireto fitaovana ireto teny an-toerana, fa na dia misy aza ireo lavo tao anatin’izao valanaretina izao dia maro ihany koa ireo avotra noho ny fisian’ny fitaovana toy ny « concentrateurs d’oxygène » izay ahafahana mamonjy aina tokoa. Raha vantany vao tonga ireo fitaovana ireo dia nanome baiko ny Filoha Andry Rajoelina ny hitsinjarana azy ireo avy hatrany amin’ireo Faritra izay mila izany toy ny ao Vakinankaratra, Fiaranarantsoa, Sava, sy ny sisa hafa koa.

Hanainga anio ny sidina haka ireo “bouteilles d’oxygène”

Nandritra ny fandraisana ireo fitaovana ireo teny Ivato, nanambara ihany koa ny Filoham-pirenena fa anio ihany ity sidin’ny kaompaniam-pitanterana Air Madagascar izay nitondra ireto « concentrateurs d’oxygène  » ireto ity, dia hanainga ho any Chine haka ireo « bouteilles d’oxygène » izay nafaran’ny Fitondram-panjakana ary ho tonga amin’ny faran’ity herinandro ity izany. Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy mikely soroka ny Fitondram-panjakana amin’ny famonjena ireo marary sy hiarovana ny vahoaka Malagasy, ary manao ny ezaka rehetra mba tsy hisy intsony ny mpiray tanindrazana lavo noho tsy fahampian’ny fitaovana toy ny oxygène.

Fermer