PolitikaSongadim-baovao
NOHO NY TSY FANARAHAN-DALÀNA: Nakatona ny Magro Behoririka
Isany antoka maha ara-dalàna ny orinasa iray ny fandoavan-ketra sy ny fanarahana ireo pitsopitsony rehetra takin’ny lalàna manodidina ny tontolon’ny hetra. Tsy fanarahan-dalàna avy hatrany, noho izany, ny tsy fahafenoan’ireo fepetra ireo, ka mety hitarika hatramin’ny fanakatonana ilay orinasa mihitsy. Izany indrindra no toerana misy ny orinasa AAA, izay miasa eo anivon’ny Magro Behoririka ankehitriny. Ity farany izay voatery nakatona mandritra ny 15 andro…
Manodidina ny 71 762 792 066,14 Ariary hatreto no vola tokony haloan’ny orinasa AAA eo anivon’ny Ivon-ketra, araka ny angom-baovao. Mazava, araka izany, fa tsy ara-dalàna ity orinasa ity eo amin’ny tontolon’ny hetra. Fantatra izany nandritra ny fitsirihana nataon’ny teo anivon’ny Sampandraharaha momba ny Hetra (DGI), tamin’ny fiandohan’ity volana ity. Araka ny tatitry ny fanadihadiana nataon’izy ireo, tsy manana kara-ketra na “carte fiscale” tsy maty paikandro ny orinasa, izay mampiasa ny toerana ao amin’ny Magro Behoririka, izay tsy iza akory fa ny orinasa AAA ihany. Teo anatrehan’izany, nisy ny “taratasy fampitandremana” lah°1199-2020/MEF/SG/DGI/DGE/SGU, tamin’ny 10 Aogositra teo, nomena ity orinasa ity, izay manambara ny tokony hikarakarana ireo tsy fanarahan-dalàna misy eo amin’ny orinasa ireo. Izany hoe, fandoavana ny hetra rehetra tsy voaloa, sy fanavaozana ny kara-ketra, mba tsy ho maty paikandro. Tsy nisy tohiny anefa izany, araka ny fanazavana azo avy eo anivon’ny Sampandraharaha momba ny Hetra (DGI). Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny DGI anefa, ny 10/06/2014, ny mpandoa hetra rehetra dia tokony hanana kara-ketra ara-dalàna ho an’ny toeram-piasany avokoa.

Tokony hanao “Déclaration d’existence”
Teo anatrehan’izany, ho fanajana ny andininy faha 20.01.56.2 ao amin’ny lalàna ankapobeny mifehy ny Hetra eto amintsika, tsy maintsy niroso tamin’ny fanakatonana tanteraka ny toerana misy ity orinasa ity ny Sampandraharaha momba ny Hetra. Mandritra ny 15 andro io fanakatonana io, izany hoe, nanomboka omaly. Tsara marihina, fa ny toerana misy ny foiben’ny orinasa AAA, izay mitrandraka sy mampiasa ny toerana eo amin’ny Magro Behoririka, dia eny amin’ny Lot II B 122 K Manjakaray Antananarivo V. Araka ny voalazan’ny andininy faha 20.05.03, andalana fahefatra, ao amin’ny lalàna ankapoben’ny Hetra anefa, tokony hanao “déclaration d’existence” any amin’ny Ivon-ketra misy ny toeram-pitrandrahana, ny orinasa manana birao ivelan’io toeram-piasana io. Tsy voahajan’ny orinasa AAA anefa izany, ka nahatonga ny tompon’andraikitra niroso tamin’ny fanakatonana ny toerana. Etsy ankilany, tsy ny Magro Behoririka ihany no nanaovana ny fitsirihana sy nahitana tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny tontolon’ny hetra, fa ireo orinasa hafa any amin’ny Faritra koa. Tafiditra ao anatin’izany izao ny Tiko ao Toamasina, izay manana hatramin’ny 25 aogositra 2020, hanitsiana ireo karazana tsy fanarahan-dalàna. Ny 27 aogositra 2020 kosa, ny daty farany ho an’ny Magro Fianarantsoa sy ny Tiko Andranomanelatra. Aorian’ireo daty ireo, dia tsy maintsy hirosoana koa ny fanakatonana tanteraka raha tsy voahitsy ireo tsy ara-dalàna. Voaporofo, araka izany, fa tsy misy hidiran’ny resaka politika ity raharaha fanakatonana ny Magro Behoririka ity. Fampiharana ny lalàna velona izay misy eto amin’ny tany sy ny Firenena no atao, mba tsy hisy intsony olona ho ambony lalàna.
Ny Fanoratana




