Songadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY KERE AO ANDROY: Mponina manodidina ny 43 000 isa efa misitraka rano fisotro madio
Na eo aza ny ady amin’ny Covid-19, mbola mijanona ho fanamby lehibe ho an’ny Fanjakana ankehitriny ny famongorona ny Kere any Atsimo. Lohalaharana amin’izany ady izany ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, izay nidina ifotony tao amin’ny Faritra Androy ny faran’ny herinandro teo. Fantatra tamin’izany fa olona sahabo ho 43 000 no efa mitsiraka rano fisotro madio amin’izao fotoana izao, taorian’ny fametrahana ireo fotodrafitrasa samihafa.
Miroso amin’ny fametrahana fotodrafitrasa marolafy momba ny famatsiana rano any amin’ny Faritra Androy ny Governemanta sy ireo mpiara-miombona antoka ankehitriny. “Rano fisotro madio ho an’ny mponina, rano mitsitaitaika, entin’ny fantsona voakajy, hanondrahana ny voly legioma, ary rano ho an’ny biby fiompy”, ireo no karazan-drano hisitrahan’ny mponina amin’izany, araka ny fanazavana avy amin’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana. Ity farany izay nilaza fa hatramin’ny taona 2020 no ho mankaty, lavadrano vaovao miisa 193 miaraka amin’ny fitaovana fitarihana no vita. Miisa 50 kosa ny lavadrano nohavaozina, ary tambajotran-drano 5 no naorina. Fiaraha-miasa amin’ny UNICEF no nanatanterahana izany, ary eo ihany koa ny fiombonana ezaka amin’ny Ministeran’ny fambolena, ny fiompiana, ary ny jono, eo anivon’ny fandaharanasa DEFI (Fampiriborobona ny sehatra fambolena sy fiompiana). « Vita ankehitriny ny tambajotra ao Evaho, (Kaominina Ambanivohitr’i Sihanamaro), ny ao Tsiabetsaka (KA Jafaro), Antanile (KA Manombo), ary ny ao Ankilimaso Ambany (KA Mikaiky Arivo Ambatomainty) », hoy ny fampitam-baovao.
Rano hanondrahana voly
Araka ny fanazavana dia mamatsy rano fisotro madio ho an’ny mponina, amin’ny vidiny tena mirary, ireo tambajotra ireo. Ankoatra izay, mitondra ny rano ilaina amin’ny fanondrahana ny voly legioma sy ho sotroin’ny biby fiompy ihany koa, izay manampy ny isam-pianakaviana hanitatra ny ambaindain’ny vola miditra aminy, no sady manatsara sy miantoka ny eo amin’ny ara-tsakafo. “Olona sahabo ho 43 000 no mitsiraka rano fisotro madio amin’izao fotoana izao”, araka ny fanazavana. Etsy an-danin’izany dia toeram-pambolena legioma miisa zato no hahazo rano, miainga avy amin’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny tanana na koa amin’ny taramasoandro. Amin’ny volana jolay avy izao no ho vita io, ary mbola hitombo isa izany mialohan’ny faran’ity taona ity.
Araka ny fanazavan’ny Minisitera hatrany, efa misitraka rano fisotro madio koa ankehitriny ny mponina miisa 6 000 ao Faux Cap Centre, Anovy, Benonoka, ary Belitsaka. Vita soamantsara ny zotra mampifandray ireo tanana ireo, amin’ny fantsonabe avy any Ampotaka. Tsara marihina fa olona miisa 36 000 no efa mahazo rano fisotro madio avy amin’ity fantsonaben’Ampotaka ity hatramin’izay. Mpandraharaha matihanina tsy miankina no miandraikitra ny fitsinjarana ny rano, ary ny Fitantanam-paritra miadidy ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana, no miadidy ny fahatezan’ny rafitra sy ny tolotra.
Ireo rehetra ireo no fantatra nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Ministra mpiahy ny Faritra Androy, Voahary Rakotovelomanantsoa, izay sady miadidy ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana, niaraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka.




