Songadim-baovaoSosialy
DISTRIKAN’AMBOHIDRATRIMO: Namendrahana ranom-panafody ireo tranom-panjakana
Anisan’ireo toerana be mpivezivezy sy ahitana olona maro mifanerasera ny tranom-panjakana. Paikady mahomby hisorohana ny fiparitahan’ny Coronavirus, noho izany, ny famendrahana ranom-panafody any amin’ireny toerana ireny. Manoloana izany indrindra, manatontosa ny anjara andraikiny mifanandrify amin’izany ny Ministeran’ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana. Araka izany, ny asabotsy 01 mey teo, tonga namendraka fanafody famonoana ny virus manerana ny biraom-panjakana ao Ambohidratrimo, Faritra Analamanga, ny teknisiana avy amin’ny MEAH.
Tranom-panjakana maro no nanaovana asa famendrahana, isan’izany ny biraon’ny distrika, ny lapan’ny tanana, ny CSB, ny CISCO, ary koa ny Guichet foncier. Nitondra ny fitaovana sy ny fanafody ny teknisianin’ny MEAH, notarihin’ny Sekretera Jeneraly, Simon Randriatsiferana. Marihina fa vao tamin’ity herinandro ity ireo distrika 7 manodidina ny tanànan’Antananarivo no notolorana fanafody famendraka famonoana ny covid-19, ary isan’izany i Ambohidratrimo. Araka ny fanazavana dia manao asa tahaka izao koa ireo teknisiana any amin’ny Fitaleavam-paritry ny MEAH isam-paritra. Asa famendrahana izay tarihin’ny Talem-paritra, ka ireo biraom-panjakana, sy any trano hafa, ary indrindra fa ireo karazan’fiara mpanao fitateram-bahoaka no kendrena amin’izany.


