PolitikaSongadim-baovao
FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY : Inian’ny mpisehatra sasany tsy resahina ny nametrahana ny Lalàna lf 2020-006
Sarotra ny tsy hiresaka ny lalàna mifehy ny Serasera amin’ny Haino Vaky Jery laharana 2020-006 raha toa ka hiady hevitra momba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Io lalàna io izay miantoka tanteraka ny fahafahan’ny mpanao gazety manao malalaka ny asany, saingy inian’ny sokajin’olona sasany tsy resahina fa manohitra be fahatany.
Raha mihaino ny fanehoan-kevitr’ireo olona tsy dia mankasitraka loatra ny Fitondrana mijoro ankehitriny dia toa efa Fitondrana jadona sy lavitry ny Demokrasia tanteraka no misy eto amintsika. Ekena fa mety tsy tonga lafatra ny fampiharana ny Demokrasia sy ny fiainana ny fahalalahana eto amintsika saingy azo sokajina ho efa finiavana politika goavana nananan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny kosa, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny nametrahana ny Lalàna vaovao mifehy ny Serasera sy ny Kolontsaina laharana 2020-006, izay miantoka sy miaro ireo mpanao gazety amin’ny fanatanterahany ny asany.
Ao amin’io lalàna io izay nisy ny fampidirana ireo tolo-kevitra izay nesorina tamin’ny volavolan-dalàna voalohany. Anisan’izany ny fahafaha-maneho hevitra manokana amin’ireo kabary politika (andininy 5 vaovao), ny fahazoana ireo antontan-taratasim-panjakana (and.7 vaovao), sy ny fanampiana ny solontenan’ny sehatra tsy miankina ao amin’ny Fahefam-pirenena momba ny fandrindrana ny serasera amin’ny alalan’ny fampitam-baovao (ANRCM) (and. 52 vaovao) ary ny fanekena ny fandrakofana ny firenena ataon’ireo mpampita vaovao miankina na tsia amn’ny fanjakana (and.126 vaovao).
Holafitry ny mpanao gazety
Noho ny fivoaran’ny fiarahamonina, manome toerana hoan’ny asa fanaovan-gazety amin’ny alalan’ny internet ity lalàna ity. Natao ho ara-dalàna, manaraka ny fepetra ara-dalàna izany. Voafaritra mazava ao ny mikasika izany asa fanaovan-gazety amin’ny alalan’ny internet izany. Etsy ankilany, ao anatin’ilay antoka hoan’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety hatrany, mametraka tsara ny lalàna fa misitaka tanteraka amin’ny Holafitry ny mpanao gazety ny minisitera, mba hahafahan’ito farany manana ny fiarovana araka ny lalàna, ka tsy hitsabahan’ny Fanjakana amin’ny andraikiny. Nomena fahefana tena izy ny holafitra ka voafaritra ao ny asa aman’andraikiny.
Ny Fanoratana.




