
Trangam-piaraha-monina
Distrikan’i Mandritsara : Maty voatifitra Dezifôlaka, jiolahy raindahiny ikoizana
Voasambotra ny farany volana avrily lasa teo i Dezifôlaka, jiolahy raindahiny nampitondra faisana tany amin’ny distrikan’i Mandritsara. Nandritra ny famotorana, dia saika hanoro ireo namany izy no nitsoaka, ka voatery tsy maintsy notifirina, taorian’ny fampitandremana, ka maty lavon’ny balan’ny zandary…

Ny alin’ny 30 aprily hifoha ny 1 mey lasa teo no voasambotry ny zandary tao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohitsoa i Dezifôlaka, jiolahy raindahiny nampitondra faisana any Tsaratanàna, anatin’ny distrikan’i Mandritsara. Raha ny fampitam-baovao momba ity jiolahy ity, dia vao avy namita sazy tany am-ponja tao amin’ny fonjaben’Mandritsara izy, ny desambra 2020, ary dia namerina ny asa ratsy fanaony. Isan’izany ny fanafihana niseho ny faha 6 aprily sy ny 12 aprily tany an-toerana. Nandritra ny fanadihadiana, niaiky izy fa isan’ireo nandray anjara tamin’ireo fanafihana ireo, ary nilaza ireo mpiara-dia aminy, toa an-dry Roslin, Jajao, ary ry Leherihely, izay voalaza fa mipetraka ao Ambodimangahely, Kaominina ambanivohitra Tsaratanàna, distrikan’i Mandritsara. Omaly vao maraimbe, nentina i Dezifôlaka mba entina hitadiavana ireo namany. Teo amin’ny toerana antosina hoe Ambalanantsotry anefa, atsinanan’ny tanànan’i Ambodisely, fokontany Ambodimadiro, kaominina Marotandrano, niezaka nitsoaka i Dezifôlaka, nanararaotra ireo toerana somary kirihitra, mba hitsoahana.
Nisy, araka izany, ny tifi-danitra mba hanajanonana ity jiolahy raindahiny ity, saingy tsy nety nijanona. Vokany, voatery tsy maintsy nitifitra ireo zandary, ka lavo tamin’izany ity jiolahy raindahiny sady mpamerin-keloka ity. Nisy ny fepetra noraisina, nampandrenesina avokoa ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny tany an-toerana. Taorian’ny fizahana ny razana nataon’ny dokotera avy ao amin’ny CSBII Marotandrano, natolotra ny fianakaviany ny razana. Mitohy kosa, ny fikarohan’ny zandary any an-toerana ireo tambajotran-jiolahy niaraka amin’ity jiolahy Dezifôlaka ity. Velom-pisaorana tanteraka ny mponina any an-toerana amin’ny ezaka tanterahin’ny zandary, momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny kaominina ambanivohitra Tsaratanàna, anatin’ny distrikan’i Mandritsara.




