PolitikaSongadim-baovao
ANTENIMIERAM-PIRENENA: Nirosoana ny fivoriana ampitain-davitra, lalàna maromaro hodinihina
Tsy nihemotra tamin’ny fanatanterahana ny fivoriana ampitain-davitra ny Antenimieram-pirenena noho ny mbola firongatry ny Valanaretina Covid-19 eto amin’ny Firenena. Ho an’ny fanokafana omaly dia tsikaritra ho nilamina ny fizotry ny fivoriana. Nambaran’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, fa tolo-dalàna sy volavolan-dalàna maro no handalo ao amin’ity Andrimpanjakana ity amin’izao fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany izao.
Ny Talata voalohany amin’ny volana Mey no fanombohan’ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena, araka ny voalazan’ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Niavaka ny fanatanterahana izany tamin’ity taona ity satria sambany tamin’ny tantara no natao ampitain-davitra ny fivoriana. “Hisy tolo-pehi-kevitra izay mbola hodinihina miaraka amin’ny fanatanterahana ity fotoam-pivoriana ampitain-davitra ity ary alefa any amin’ny HCC hakana ny heviny”, hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine. Ity farany izay nilaza fa tsy sitrapo na haingitrangitra ny nanaovana ny fivoriana ampitain-davitra. “Voamarina mantsy fa isaky ny fotoam-pivorian’ny parlemantera dia misy hatrany ny Depiote voan’ny valanaretina, ary nisy ireo lavo tamin’izany”, hoy ny fanazavany.
Sehatra maro no efa mampiasa teknolojia tahaka izao, hoy ity tomponandraikitra ity, toy ny Filankevitry ny Minisitra, ny Fivorian’ny Firenena mikambana, na ny eny amin’ny anjerimanontolo aza, ary maro ireo antenimieram-pirenena amin’ny tany andalam-pandrosoana toa antsika no efa miroso amin’ny fivoriana ampitain-davitra. Na eo aza anefa izany, ezahana hatrany kosa hanajana ny fitsipika mifehy ny antenimieram-pirenena rehetra amin’ny fanatanterahana ny fivoriana. Isan’izany ohatra ny fahafahan’ny Depiote mifidy amin’ny fomba ara-dalàna ireo volavolan-dalàna izay dinihana, ny fahafahan’ny daholobe manatrika ny fivoriana itambaram-be amin’ny alalan’ny tambajotram-pifandraisana samihafa ary koa ny fampitana mivantana ireo fivoriana sasany.
Fanavaozana ny “code de la nationalité malagasy”.
Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Antenimieram-pirenena amin’ity fotoam-pivoriana ity, raha ny fanazavan-dRamatoa Razanamahasoa Christine, omaly. Isan’izany ny tatitra mahakasika ny fanatanterahan’ny Governemanta ny fandaharanasany izay arahina adihevitra ao amin’ny Antenimieram-pirenena, araka ny andininy faha-101 ao amin’ny lalàmpanorenana. Eo koa fandinihana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hasiam-panitsiana (LFR), ao koa ireo tolo-dalàna maromaro avy amin’ny depiote izay any amin’ny Antenimierandoholona, isan’izany ny tolo-dalàna laharana 001-2019/PL “Portant statut de l’opposition et des partis d’opposition”, eo koa ny tolo-dalàna laharana 003 -2019/PL momba famokarana sy famarotana ny taoka malagasy. Misy koa tolo-dalàna izay vao napetraky ny solombavambahoaka, isan’izany ny tolo-dalàna 001-2021/PL mikasika ny fanavaozana ny “code de la nationalité malagasy”.
Volavolan-dalàna maro
Hisy koa fandinihana volavolan-dalàna samihafa, toy ny volavolan-dalàna 17-2020 tamin’ny 10 novambra 2020 mahakasika ny politikam-pirenen’ny Kolontsaina, ny volavolan-dalàna 004/2020 tamin’ny 20 Mey 2020 « autorisant la ratificiation de la retrocession de la facilité de credit rapide FCR, conclu le 30 Avril 2020, entre l’Etat Malagasy et le BFM ». Hisy koa ny fandinihana ny volavolan-dalàna 001-2021 tamin’ny 3 Febroary 2021 « autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement de l’opération de riposte pour affronter la pandémie de la covid-19, conclu le 22 septembre 2020, entre Madagascar et la BADEA ».
Isan’ireo volavolan-dalàna vaovao tonga ao amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna 004-2021 tamin’ny 31 Marsa 2021 momba ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin ‘ny Maroc sy Madagasikara eo amin’ny lafiny fananan-tany. Ao koa ny fandinihana ny soso-kevitra amin’ny fananganana « enquête parlementaire amin’ny asan’ny « opérateurs en télécom », avy amin’ny Depioten’i Manjakandriana, Doda Andriamiasasoa, sy ny soso-kevitra amin’ny fananganana vaomiera mpanadihady amin’ny fanondranana antsokosoko volamena eto Madagasikara, avy amin’ny Depioten’i Fénérive Est, Mohamad Ahmad.
Andrasana amin’ity fotoam-pivoriana ity koa ny tatitry ny asan’ny Vaomiera mpanadihady mahakasika ny fanaraha-maso ny orinasa Ravinala Airports. Eo koa ny fandinihana amin’ny alalan’ny fivoriambe ny asan’ny vaomiera misahana ny fiampangana eo anoloan’ny Fitsarana Avo. Eo koa ny fifidianana ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an’ny faritanin’I Toamasina izay toerana mbola banga hatramin’izao.




