Songadim-baovaoToekarena

NATOMBOKA NY TETIKASA « TITRE VERT » : Tanora mpandraharaha 133 hisitraka velaran-tany 1ha avy

Tontosa tao Vakinankaratra omaly ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fizarana ny « Titre Vert » ho an’ireo tanora mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana miisa 133. Nitarika izany ny Filoha Andry Rajoelina, izay sady tompon’ny tetikasa rahateo, ary nirary soa sy nitsoa-drano ireto tanora ireto mba hahazo vokatra tsara amin’ny asa fandraharahana ataon’izy ireo avy.

Tanora 133 tamin’ireo 500 nandefa antontan-taratasy hisitraka ny tetikasa « Titre Vert » no voasivana, ary ho lasa mpandraharaha maoderina, araka ny fanazavana. Omaly, araka izany, tao amin’ny Faritra Vakinankaratra tao Andranomanelatra – Antsirabe, no nanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa « titre vert ». Tetikasa izay novolavolain’ny Filoha Andry Rajoelina entina hanatanterahana ny velirano faha sivy sy faha enina, dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny asa mendrika ho an’ny rehetra. Amin’izao fanombohana izao dia tanora mpandraharaha miisa 133 eo amin’ny seha-pihariana fambolena sy fiompiana no hisitraka velaran-tany mirefy 1Ha tsirairay avy. Araka ny fanazavana dia toerana 2 no hametrahana ireto tanora ireo dia Andranomanelatra sy Antsoantany. 94 amin’ireo tanora ireo no hipetraka ao Andranomanelatra izay hisehatra amin’ny fiompiana omby vavy be ronono sy fambolena ny vilona “juncao”, ary ireo hanao ny fiompiana akoho sy kisoa sy ny fambolena ny katsaka sy ny soja kosa ny 39 amin’izy ireo, izay ho eny Antsoatany.

Nahazo 38 tapitrisa ariary mahery avy

Ankoatra ny tany hiasany, dia nahazo fanofanana entina manao ny asa famokarana sy famatsiam-bola entina manao ny asa fihariany ireto tanora ireto. Mahatratra 38 570 000 ariary latsaka kely avy no nisitrahan’ireo tanora ireo hampihodinana ny asa fandraharahana ataon’izy ireo. Hiara-hiasa amin’izy ireo ihany koa ny Fitondram-panjakana amin’ny fitadiavana ny lalam-barotra ho an’ireo vokatra. Nitsoa-drano ireto tanora ireto ny Filoha Andry Rajoelina hahaleo hahalasana ary nanome toromarika ny Minisitra tompon’andraikitra hametraka « forage » lehibe mba hahazo rano mandavan-taona ny asa fambolena. Hanolo-tanana ireto tanora ireto ihany koa ny Fitondram-panjakana amin’ny fanorenana toeram-ponenana na toeram-piasana eo amin’ny velaran-tany izay hiasany. Ho tanterahina manerana ireo Faritra rehetra eto Madagasikara ny tetikasa « titre vert », ary miisa eo amin’ny 1000 isaky ny faritra ny olona hisitraka izany.

Fermer