PolitikaSongadim-baovao

FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY: Anatin’ny 10 voalohany aty Afrika i Madagasikara

Laharana fahasivy aty Afrika i Madagasikara amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, araka ny filaharana navoakan’ny Reporters sans frontières (RSF) ho an’ity taona 2021 ity. Firenena am-polony maro no mbola aoriantsika, eny fa na ireo sokajina ho firenen-dehibe aty Afrika aza, toa an’i Ethiopie sy Rwanda. Raha io filaharana io no asian-teny dia azo ambara ho mbola miaina sy malalaka ny asa fanaovan-gazety eto amintsika, na dia inian’ny sasany tsy resahina aza izany.

Samy nanana ny nambarany sy nandikany azy avokoa ny rehetra fony namoaka ny Reporters Sans Frontières fa nihemotra laharana telo i Madagasikara eo anatrehan’ireo Firenena rehetra maneran-tany amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Ho an’ny mpanohitra dia natao fitaovana mihitsy izany hanenjehana ny Fanjakana sy ny Minisitera tomponandraikitra, amin’ny filazana fa efa tsy misy intsony ny Demokrasia sy ny fahalalahana eto amintsika, fa manjaka ny jadona. Ho an’ny Biraon’ny Holafitry ny Mpanao gazety indray, izay efa lany daty, dia natao ho fanoitra hanenjehana ny Minisitra sy ny Ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina iray manontolo mihitsy iny fanambarana nivoaka iny.

Ankehitriny, ny Reporters Sans Frontières ihany indray no namoaka fa laharana fahasivy aty Afrika isika. Izany hoe, tafiditra ao anatin’ny 10 voalohany aty Afrika. Firenena afrikanina izay azo sokajina ho matanjaka maro no aoriantsika. Isan’izany i Ethiopie, Rwanda, Cameroun, eny fa na ny Nosy Maorisy sy ny sisa hafa koa aza dia mbola aoriantsika.

Toy izao ny filaharana navoakan’ny Reporters sans frontières.

Nisy ny ezaka natao

Raha io filaharana io no raisina dia midika fa mbola malalaka tsara aty Madagasikara ny mpanao gazety fa tsy araka ny dradradradrain’ireo andian’olom-bitsy tahaka ireo fiarahamonim-pirenena sasantsasany sy ny holafitry ny mpanao gazety izay efa lany daty. Betsaka ny ezaka nataon’ny Fanjakana ankehitriny, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ho fanomezan-danja ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Porofo mivaingana amin’izany ny nametrahana ny lalàna vaovao mifehy ny serasera amin’ny Haino Vaky Jery lf 2020-006, izay manome vahana tanteraka ny mpanao gazety hiasa malalaka, ary tsy ahitana intsony famonjana mpanao gazety noho ny asany. Tsy maintsy misy akony tsara amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny nisian’ireny lalàna vaovao ireny, na dia inian’ny sasany tsy asiana resaka aza.

Ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo rahateo efa nanazava fa antony mety nahatonga ny fihemorantsika teo amin’ny sehatra iraisampirenena, araka ny tatitry ny RSF, ny nametrahana ny Hamehana ara-pahasalamana, ka nahatonga ny famerana ny fahalalahana sasantsasany teo amin’ity tontolo ity. Tena mbola tsara toerana kosa anefa isika aty Afrika ka tokony hampirehareha ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety rehetra, satria sady tsy ny Fanjakana no namoaka an’io filaharana io, na ny mpanohitra, fa rafitra hafa mihitsy.

Ny Fanoratana.

 

Fermer